airtel

Actualités

05-févr-2026

Fandrahonana mpitondra ambony?

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Conan

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny

05-févr-2026

Antanimora i Conan Christidy na Conan le Barbare, raha ny vaovao niparitaka omaly. Fanalam-baraka sy fandrahonana ho faty ny Filoham-panjakana na "diffamation et Menace de mort envers le chef d'État ", hoy ny vaovao miparitaka, saingy tsy mbola nisy tatitra mazava avy amin'ny fitondram-panjakana. Raha tsiahivina, ny faramparan'ny volana janoary teo, nitory an'i Conan i Stan'ley Ramarivelo noho ny ambarany fa fandrahonana ho faty sy filazan'ity farany ho afaka mibaiko ny PRRM ny tenany. Efa nisy ny karazana fampihavanana azy ireo, izay nifanditra tamin'ny resaka Fikambanana nandray anjara tamin'ny tolona. Somary mbola manjavozavo noho izany ny raharaha Conan le Barbare fa raha tena ireo vesatra voalaza sy miparitaka amin'ny fizaram-baovao samihafa dia mavesatra dia mavesatra ary sarotra ny lalan-kivoahany. Henjana izany fahasahiana milaza fa afaka mibaiko sy mandrahona Filoham-panjakana izany raha tena marina tokoa. Mbola misitraka ny zo maha mbola tsy voaheloka na "présomption d'innocence" ka afaka miaro tena anefa izy ka asa hanao ahoana ny tohiny. Voalaza moa hatreto fa tsy i Conan irery fa misy namany iray niaraka nidoboka aminy. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap