airtel

Actualités

04-oct-2022

Actualités

Fandravana fambolena ao Ivato Tsy eken’ny mponina na dia hananganana « gymnase » aza

Sample post image

Tezitra avokoa ary nilanja sora-baventy nivoaka ny tokantranony ireo mponina sasany teny Ivato omaly.

04-oct-2022

Ho an’ny ASAMI.AI na Association des Anciens Militaires Agriculteurs Ivato manokana dia tsy eken’izy ireo ny hananganana foto-drafitrasa vaovao toy ny gymnase kasain’ny Fitondram-panjakana hatao eo amin’ny tanin’izy ireo. Nandritra ny 38 taona mantsy no efa nanajarian’izy ireo io tany io (1984-2022) ka tena miantoka feno ny velon-tena hataony tokoa izany. Raha araka ny feo ren’izy ireo dia tsy maintsy horavana mihitsy ilay fambolena ary hananganana trano eo ambonin’ilay tany.Maro ny tany malalaka azo hanaovana izany eny Ivato hoy izy ireo ka tsy tokony kitihina mihitsy izay miantoka ny fiainan’ny vahoaka tahaka izao. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa tsy sakana ho an'izay foto-drafitrasa hatsangan’ny fitondrana izy ireo saingy kosa tsy tokony hatao eo amin'ny taniny izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny hetsika nataon’ny mponina omaly teny Ivato
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap