airtel

Actualités

26-avril-2021

Actualités

Fanjakana sy haino aman-jery tsy miankina Hifampitady eny amin’ny « Conseil d’Etat »

Sample post image

Namoaka fanapahan-kevitra iraisana na "Décision interministérielle" ny Fanjakana ny 22 aprily teo,

26-avril-2021

 

 

 

 mandrara mandritra ny hamehana ny hetsi-bahoaka, ny fandaharana sy famakafakana ara-politika amin'ny fahitalavitra sy onjam-peo misy antso an-tariby an'ny mpihaino ny Fanjakana. Ambara fa mety hitondra fanohintohinana ny filaminam- bahoaka sy hitarika savorovoro politika ary manohintohina ny firaisam-pirenena izy ireny. Raràna ny fandefasana izany amin'ny faritra Analamanga, Antsinanana, Boeny, SAVA, Sofia. Fandaharana maro no voatonona: Miara-manonja (Mbs, Az, Soa radio), Kapotandroka (I-BC), Invite du Jour (Real TV), Ça me dit (Rta), Don-dresaka (Tv plus), Rivotra (RDJ), Anao ny Fitenenana (Free Fm), Tambatra (Viva radio, Viva TV, Free fm, Alliance fm, Taratra fm, kolo TV, Kolo FM), Aoka hazava (Viva). Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny orinasan-tserasera nandefasana taratasy tahaka io. Manasonia izany ny Minisitry ny Fitsarana, Minisitry ny Atitany, Minisitry ny Filaminana anatiny, Minisitry ny serasera, sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.

HITORY ENY AMIN’NY FILANKEVI-PANJAKANA

 Naneho hevitra momba ny fampiatoana ny fandaharana miresaka politika ireo haino aman-jery tsy miankina toa ny MBS, REAL TV&RADIO, IB-C,… araka ny fanambaran’izy ireo teny Anosipatrana ny takarivan’ny zoma lasa teo. Nambara fa fanampenam-bava ny fanajanonana ny fandaharana araka ny fanapahan-kevitra iraisan'ny ministera. Izao vao manarina ny fatiantoka tamin ny “requisition” tamin ny taona 2020 kanefa ajanona ny fandaharana misy mpanohana ara-barotra sy dokam-barotra. Manao antso amin ny FFKM, ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ihany koa izy ireo. Hametraka fitoriana eny amin'ny “Conseil d'Etat” na ny filankevim-panjakana ireto haino aman-jery tsy miankina ireto anio alatsinainy, raha ny voalazan’izy ireo.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap