airtel

Actualités

09-avril-2021

Actualités

Fankalazana ny fetin’ny asa Hifantoka amin’ny resaka Airmad sy CNaPS

Sample post image

Volan’ny CNaPS ankehitriny no hanodinana ny orinasa Air Madagascar, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Randrana sendikaly,

09-avril-2021

 

 

 ary ny tale jeneralin’ity orinasa ity mihitsy no filohan’ny filankevim-pitantanana an’io orinasam-pitaterana anabakabaka io. Tokony hiteraka tsara ny volan’ny mpiasa, raha izay no fandehany, hoy ireto sendika ireto saingy izay ve no tena zava-misy ankehitriny? Miditra amin’ny hahamehana isika ary tsy miasa ity kaompania ity. Ny heno aza, hoy izy ireo, dia ny hoe atsasa-karama no raisin’ny mpiasan’ny Airmad. Misy tsy miasa. Hoanina fotsiny handoavana karaman’ny mpiasa tsy miasa ve izany ny volan’ny CNaPS? Nilaza moa ny vovonan’ny sendikan’ny mpiasa ao anatin’ny Randrana sendikaly fa hametraka izany fanontaniana izany amin’ny tale jeneralin’ny CNaPS satria volan’ny mpiasa no ao ary adidin’ny mpiasa no manara-maso izany. Nalaza tato ho ato, hoy ny sendika, fa manina ny tongolon’ny Ejipta amin’ny famatsiana mpanao baolina ny CNaPS. Olana teo aloha ny hoe vokatr’izany dia nisy vola amina miliara niodina. Izao indray rehefa nisy ny fihaonana ny 23 jona 2020 dia nanda ny tale jeneraly fa tsy anjaran’ny CNaPS ny mamatsy mpanao baolina. Amin’izao izy indray no heno ho mamatsy vola ny mpanazatra ny Barea, hoy hatrany ny sendika. Hijery ny fahamarinan’izany mialohan’ny fetin’ny asa ny 1 mey izahay, hoy ny Randrana sendikaly, satria mahagaga raha ny mpiasa no efa ela no niezaka hiala amin’izany fanodinana volan’ny mpiasa izany nefa dia mbola hidirana indray ilay izy ity. Hifantoka amin’ny resaka CNaPS sy Airmad, hoy ny fanamarihan’izy ireo, ny fankalazana ny 1 may amin’ity ary efa tafatsangana rahateo ny fototra sendikalinay eo anivon’ny Airmad, Air France, Tsaradia, ACM.

J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap