airtel

Actualités

31-août-2021

Actualités

Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona Nentin’ilay tovolahy nandositra ilay zazavavy niandry omby

Sample post image

Nisehoana fandokinkodinana zaza tsy ampy taona ny 19 aogositra teo, tany amin'ny kaominin'Amparibohotra, distrikan'i Soavinandriana, Faritra Itasy.

31-août-2021

 Tra-tehaky ny polisy ilay tompon'antoka, tovolahy 22 taona. Tany am-piandrasan'omby no nisy naka an-keriny sy noterena tovolahy iray hiara-handositra aminy tany Dango Faratsiho ny tovovavy iray 16 taona. Saika noentiny tany Antsirabe, avy eo any Antananarivo, saingy tsy nahita saran-dalana. Farany, noentiny teto Soavinandriana Itasy.Nitory ny rain'ilay zazavavy vokatr’izany.Raha tsiahivina kely ny tantara dia mpisakaiza izy 2 kely ireto nanomboka ny volana aogositra taona 2020, saingy tsy miaraka intsony ankehitriny."Tsy tia azy aho, izany no efa nisarahanay. Efatra no fitambaran'ny firaisana vitanay hatramin'izao, izany no nambaran’ilay zazavavy kely. Tsy nisy sitrapoko tompoko ireo firaisana nataony tamiko fa notereny aho...hoy hatrany izy nanamafy ny teniny. Nilaza kosa ilay tovolahy fa "tany Antsahavory, tany an-tsaha no nanaovany firaisana tamin’io zazavavy io voalohany, ary mbola virijiny izy tamin'izany ka izy no nisantatra azy. Tsy nanery azy izany aho fa izy no niteny hoe: andao hanao firaisana", hoy hatrany ilay tovolahy.Natolotra ny fampanoavana omaly moa ity farany.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap