airtel

Actualités

07-juin-2022

Actualités

Fanolanana etsy sy eroa Matetika tsy sahy mitory ireo ray aman-dreny

Sample post image

Ankoatra ny tsy fandriampahalemana dia mirongatra ihany koa ny fanolanana ao Vohemar. Zazavavy kely iray vao 04 taona monja no voaholana ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Ambatojoby Manambery.

07-juin-2022

Tovolahy kely iray 14 taona ihany koa no nisy nanolana tao amin’ny Fokontany Tanambao, samy ao anatin’ny distrikan’i Vohemar avokoa. Noho ny tsy fananan’ireo Ray aman-dRenin’ity zazalahy ity vola anefa dia tsy sahy nitory izy ireo fa nangina fotsiny ihany. Any Antalaha rahateo vao misy fitsarana. Ho an’ilay zazavavy kely moa dia fantatra fa tovolahy iray 20 taona no voatondro ho nanolana azy saingy tsy mbola sahy nitory io tovolahy io ihany koa ny Ray aman-dReny. Ahiana hampanjaka ny fanolanana any amin’ity distrika iray ity araka izany ny tsy fahasahian’ireo Ray aman-dReny mitory koa hanaovana antso avo amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely voalana
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap