airtel

Actualités

06-déc-2024

Fanomanana petatoko sy tandrametaka

Tsy nety nijanona tao Antsiranana ny sambo be Norvegian Dawn

Sample post image

Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot

06-déc-2024

mitondra ny anarana « Norvegian Dawn » mitondra mpizahatany manodidina ny 2000 izay tokony hiantsona tao Antsiranana omaly 05 desambra 2024. Antony ny tsy fahafenoan’ny fepetra ho an’ny fotodrafitrasa hahafahany miantsona, ka dia nandalo fotsiny fa tsy nijanona nampidina mpizahatany. Voalaza fa tsy manara-penitra sy tsy azo antoka ny tetezana mitsingevana na « pont flottant » tsizarizary izay namboarin’ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale) iray andro nialohan’ny fahatongavan’ny sambo. Tsy maka risika ny olona fa mitandrina, hany ka tsy nidina fa nandalo nanao tazan-davitra, ka lasa any La Réunion ilay sambo. Miteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpandraharaha ara-pizahantany na « tours opérateurs » sy ireo mpisehatra samihafa. « Noho ny antony ara-teknika dia tsy nidina an-tseranana ireo mpandeha ny sambo mitondra mpizahatany Norvegian Dawn nokasaina notanterahana tao amin’ny seranantsambon’Antsiranana Androany. Tanterahan’ny APMF sy ny orinasa miandraikitra ny asa fikokojana ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana izao avy hatrany ny fanatsarana ilaina natolotry ny tompon’andraikitry ny sambo mba hahafahana manamora ny fiantsonana. Hiverina tsy ho ela ao Antsiranana io sambo io. », hoy ny serasera nataon’ny APMF Foibe izay naneho fialan-tsiny amin’ny fanemorana. Endriky ny petatoko sy sy ny tandrametaka izay mety hiteraka fatiantoka goavana. Voalaza mantsy omaly fa mitaky famerenam-bola amin’ireo mpisehatra ara-pizahantany ao Antsiranana ireo mpizahatany efa nandoa vola mialoha nanaovana famandrihana. Henatra ho an’i Madagasikara ny tahaka izao, miteraka laza ratsy ho an’ny Firenena, mampihemotra ireo vahiny maniry ny hitsidika sy hizaha tany eto,… Ny sambo iray mety vita ihany fa mety hiparitaka sy hitondra akony ratsy ho an’ny hafa ny tahaka izao. Manana tanjona ny hanatratra mpizahatany 1 tapitrisa isan-taona isika ao anatin’ny 3 ka hatramin’ny 5 taona kanefa izao no zava-misy ka mila fanarenana sy fitandremana be mba tsy hampalaza ratsy antsika ka vao mainka mety hampihena ireo olona tokony ho tonga aty.
Toky R

 

Dans la même rubrique

HCJ
17-janv-2025

Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana

Card image cap
17-janv-2025

Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao

Card image cap
17-janv-2025

Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,

Card image cap
17-janv-2025

Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana

Card image cap
17-janv-2025

Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany

Card image cap
17-janv-2025

Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,

Card image cap