airtel

Actualités

09-avril-2021

Actualités

Fanondranana vehivavy an-tsokosoko Nisy tratra indray, olona 3 naiditra am-ponja

Sample post image

Tambazotra iray mpanondrana vehivavy hiasa any amin’ireo firenena Arabo toa an’i Koweit sy Arabia Saoudita

09-avril-2021

 

 

no ravan’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SCESLFD etsy Anosy ny alatsinainy 29 martsa 2021 lasa teo ka olona miisa 05 no voasambotra tamin’izany. Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity tambazotra fanondranana olona ity. Vantany vao nahare izany ny teo anivon’ny Services Centrale des Enquêtes Spécialisées (SCESLFD) dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ka olona miisa 05 tompon’antoka tamin’ilay fanondranana olona sy vehivavy miisa 03 izay saika ahondrana antsokosoko tany ivelany no voasambotra tetsy Anosy, Ampitatafika ary Itaosy hatramin’ny alarobia 31 martsa lasa teo. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ity sampan-draharaha manokana ny Polisim-pirenena avokoa moa ireo olona voasambotra rehetra ireo. Tamin’ny fanadihadiana azy telo vavy dia nanambara izy ireo fa avy any amin’ny faritra Andapa iny. Vehivavy iray no tonga niantso sy nandresy lahatra azy ireo tany an-toerana mahakasika ny fisiana asa any ivelany ka naha roboka azy ireo. Mbola io vehivavy io ihany no nitondra sy nampiantrano azy ireo teto an-drenivohitra ary anisan’ny nikarakara ny antontan-taratasy hosoka maro entina hamitahana ny fanjakana Malagasy mahakasika ny anton-dian’izy ireo any ivelany. Marihina fa nampandoavin’ireo olon-dratsy vola mitentina 2.000.000 ariary avy ireto tovovavy handeha hiondrana ireto. Vitan’ireo mpanondrana avokoa ny namorona kara-panondro, kopia ary pasipaoro hosoka ho azy telo vavy. Saika halefa etsy amin’ny Nosy Comores moa izy telo vavy izao tratra izao. Araka ny fitantaran’izy telo vavy hatrany dia ao Comores indray izy ireo no efa misy olona mandray an-tanana ka mandefa any Arabia Saoudita sy Koweit. Taratasy hosoka marobe no tra-tehaky ny Polisy tao amin’ny tranon’ireto mpanondrana olona ireto. Nahitana fitombokasen’ny Ambasady atsy Comores ihany koa tao amin’izy ireo. Mbola maro ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireto olon-dratsy karohina mahakasika izao raharaha izao. Fantatra fa efa mpamerin-keloka ireto olona voasambotra ireto. Natolotra PAC etsy 67ha ny zoma 02 aprily teo ny raharaha ka ny telo tamin’ireo voarohirohy no naiditra am-ponja vonjimaika raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap