airtel

Actualités

01-déc-2022

Actualités

Fanorenana tsy ara-dalàna eny Ankatso Misy andian’olona manambitamby ireo mpianatra

Sample post image

Nafampana tato ho ato ny resaka fanorenana fotodrafitrasa tsy ara-dalana ao anatin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo,

01-déc-2022

 hoy ny fanazavan’ny talen’ny sampandraharaha misahana ny fonenan’ny mpianatra eny Ankatso na CROU-A, Mamisoa Aina. Misy andian’olona, hoy izy, manao fahazarana mihitsy mandika ny fenitry ny faritra azo hanaovana izany ary manao fanorenana tsy ara-dalana. Manararaotra ilay faran’ny herinandro tsy hisian’ny mpiasa manara-maso eny an-toerana iny hanaovany fanorenana ary manohy izany hatramin’ny andro alina mihitsy. Ilay farany teo moa mbola tratranay teo ny alatsinainy dia iny narodanay iny. Hatramin’izay nahatongavako teto dia tena hentitra manoloana io fananganana tsy ara-dalana io ary nanome baiko fa ny fananganana rehetra amin’ny faritra onenan’ny mpianatra dia tsy maintsy mandalo fanaraha-maso hoe tena manana taratasy ara-dalana ve ilay olona? Tokony hanana titra sy fahazoan-dalana hanorina aloha voalohany izany. Tsy mbola nisy nitondra an’izay hatramin’izay nahatongavako teto. Miezaka foana manakana, araka izay tratranay izahay, noho izany. Ny mampalahelo dia indraindray tambatambazin’ireny olona ireny ilay mpianatra dia tsy miteny satria hampanantenainy toy ny hoe hamboarina ny toerana fatorianareo sy ny toy izany dia noho izay tombontsoa kely antenainy izay dia lasa mijoro miaro ireny olona ireny koa indraindray ilay mpianatra. Misokatra hatrany ny varavarako ho an’ny fifampiresahana ary hanaovako antso avo ho an’ireo mpianatra izany, hoy hatrany ny tenany. Nahena ho 213 moa ankehitriny ny isan’ireo mpiasan’ny CROU-A, raha toa ka 300 isa mahery izany teo aloha, hoy ny fanampim-baovao voaray.
J. Mirija
Legende: Ny talen’ny CROU-A
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap