airtel

Actualités

29-oct-2025

Fanovàn-drafitra lazain’ny mpitondra

teo aloha fa hevi-dravina

Sample post image

Midika firenena tsy azo ampandrosoana intsony

29-oct-2025

Somary nanaitra ihany ny fanehoan-kevitr’ireo mpitondra teo aloha sasany izay nilaza fa fisarihana politika na «séduction politique», mba tsy ilazàna hoe hevi-dravina na «utopie» izany fahafahana manova ny rafitra misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao izany. Mampametra-panontaniana, noho izany, ao anatin’izay hoe efa nahalala izany ny fitondràna teo aloha fa tsy afaka ny hanao na inona na inona izy ireo hampandrosoana ity firenena ity satria voageja ary na dia ny manova rafitra aza tsy azon’izy ireo atao akory. Heverina tsinona fa midika firenena tsy azo ampandrosoana intsony tokoa izay fanovàn-drafitra lazaina ho hevi-dravina izay. Niaiky ve izany ireo mpitondra teo aloha fa namita-bahoaka satria sahy niteny hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!» nefa na ny fahafahany mitondra ilay fampandrosoana aza tsy miankina amin’izy ireo akory fa miankina amina rafitra mangeja tsy azony nihodivirana niaraha-nahita tao anatin’iny repoblika faha 4 iny? Tsy efa mazava ve izany ankehitriny fa famotehana sy fandrobàna tanteraka ity firenena ity no nitohy nitranga teo raha mbola tsy rava nialohan’ny fotoana iny repoblika faha 4 iny?
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap