airtel

Actualités

09-mars-2021

Actualités

Faritra Analamanga Namboly hazo ny vehivavy

Sample post image

Nentina nankalazana ny andron’ny 8 martsa 2021, mifandraika amin’ny lohahevitra fankalazana :

09-mars-2021

 

 « Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy », dia nanatanteraka fambolen-kazo ny avy ao amin’ny Faritra Analamanga teo ambany fitarihin-dRamatoa Talen’ny kabinetran’ny Faritra. Teny amin'ny làlan’ny Tsarasaotra mihazo an’Ivato, ilay antsoina hoe « Route Fleurie » no nanatanterahana izany. Ny DREDD Analamanga no namatsy ny zanakazo 5 000 fototra novolena tamin’izany ary nanome ny toromarika fambolena ihany koa. Naneho ny firaisankinany ireo vehivavy tao amin’ny Faritra Analamanga. Nasehon’izy ireo ihany koa fa ny vehivavy dia manana andraikitra lehibe amin’ny fanarenana sy fiarovana ny tontolo iainana. Niara-nientana tamin’ny Fiadidiana ny Faritra tamin’ity hetsika fambolen-kazo ity ireo fikambanam-behivavy maro izay nahitana ny solontenan’ireo vehivavy avy ao amin’ny Primatiora, Antenimieran-doholona sy avy amin’ireo Ministera isan-tsokajiny ary ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny fampitam-baovaon’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy na ny MEDD.

Toky R

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap