airtel

Actualités

11-juil-2022

Actualités

Faritra Analanjirofo Tsy voahaja ny vidin’ny lavanila farany ambany

Sample post image

Nanomboka nitobaka teny amin’ny tsena ny lavanila maitso ao anatin’ny distrika miisa 6 mandrafitra ny faritra Analanjirofo nanomboka ny 7 jolay teo nanokafana ny tsena tamin’ny fomba ofisialy,

11-juil-2022

raha ny fampitam-baovao voaray. Tsy voahajan’ny ankamaroan’ny mpandraharaha anefa ny fetram-bidy farany ambany 75.000 Ariary napetraky ny fitondram-panjakana. Tafidina hatrany amin’ny 25.000 Ariary, 30.000 Ariary ny iray kilao tao Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Vavatenina sy ny maro hafa. Misy ny tantsaha voatery mivarotra noho ny fahasahiranana sy ny mbola tsy fahafehezana ny fikirakirana ny fahandroana lavanila. Misy kosa ny tsy nanaiky nivarotra ny vokatra latsaky ny 75.000 Ariary toy ny tao Mananara Avaratra. Mamporisika ny tantsaha sy ny mpandraharaha hanaja ny fenitra sy ny fepetra napetraka ny tomponandriakitra eny ifotony sady mandroso vahaolana hanatsarana ity seha-pihariana ity. Tao amin’ny fokontany Antsirakoraka, kaominina Maromitety, distrikan'i Vavatenina no ivontoerana nanokafana ny tsena ho an’ny faritra Analanjirofo, izay toerana mamokatra sy ahitana lavanila tsara kalitao. Samy nanafatrafatra ny amin’ny tokony hanajana ny fepetra ny goverinoran’ny faritra sy ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana nandritra izany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap