airtel

Actualités

10-janv-2022

Actualités

Faritra arovana eto Madagasikara Misarika ny 92%n’ny mpizahantany avy any ivelany

Sample post image

Tsy vao indray na in-droa no misy olom-pirenena, tambonivohitra, olona tena nianatra, tsara toerana eto amin'ny tany sy ny firenena no manontany ahy hoe "fa mba inona marina moa izany no tena tombony amin'ireo faritra arovana eto

10-janv-2022

 Madagasikara ireo?”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy fandrosoana lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. Toa maha be olana sy mandany vola be an-tapitrisany antsika isan-taona fotsiny, hoy izy, nanohy ny fanontaniana? Toa lasa sakana ho an'ny fitrandrahana sy ny seha-pihariana vatosoa na volamena? Tsy hita akory izay mba devizy entiny. Mahatalanjona ny mbola andrenesana fanontaniana toy izany aty amin'ny taonjato faha 21 sady anatin'ny fipariahan'ny fitaovan-tserasera maro, anaty fanatontoloana, eo koa ny fifehezantsika ny haikajy mirindra nefa koa tsy maintsy raisina ho tsy fahombiazan'ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fampianarana momba ny rohivoahary nisy teto amintsika tanatin'ny 60 taona. Mila manatsara ny fampahalalana isika ary raisiko ho adidin'ny ministera izay iandraiketako izany. Efa nampitomboina ny fampahafantarana amin'ny alalan'ny kisary, na horonan-tsary, na fankalazana isan-karazany, ny fanaovana fandaharana maro amin'ny haino vaky jery, ny fidinana ifotony ataon'ny ratsamangaika any amin'ny Faritra (DREDD). Mbola be ihany koa anefa ny ezaka tokony hatao. Na izany na tsy izany dia tiana ny mampahalala ireo olompirenena ambonivohitra fa anisan'ny tena misitraka ny tombotsoan'ny fisian'ny faritra arovana izy ireo. Izy ireny tokoa mantsy no iandohan'ny loharano izay mamatsy ny rano sotroinao, isasanao, ampiasainao amin'ny andavan’andro. Izy ireny ihany koa no mifoka ny entona mangeja hafanana izay avoakan'ny fiaranao sy ny “scooters”nao, ny famokarana ny saribao ampiasainao handrahoina sakafo, ny rivotra maloto vokarin'ny orinasa iasanao. Mbola ny Faritra arovana koa no mahatonga anao tsy hiaina maripana 45 degre toy ny any amin'ny tany maro satria mitondra hamandoana sy manalefaka ny toetr’andro izy. Farany, ary ny tsy kely indrindra, dia mbola noho ny fananantsika faritra arovana miisa 144 manerana an'i Madagasikara no ahatongavan'ny mpizahatany teto hatrizay. 12% n'ny harikarena malagasy izy io ary olona 1.000.000 mahery no mahazo asa mivantana ao anatin'izany. Tsy voatanisako eto satria tsy ananako moa ny dolara sy euros nampidirintsika tamin'ny kitapom-bola sy ny orinasa ary ny tokantrano maro teto. Fantaro fa 92% n'ny mpizahatany mankaty Madagasikara dia noho ny Faritra arovana sy ny rohivoahary ananantsika. Tombony goavana izany ary ny faritra arovana no banky voalohany ananantsika sy miantoka ny fiainantsika hatreto. Mbola tombony lehibe ho antsika, ho anao, ho ahy, ho an'ny taranaka koa, ny fananantsika zava-maniry tsy latsaky ny 12.000 isa izay azo itsaboana sy anamboarana fanefitra sy fanafody. Toekarena avokoa izany, tombotsoa avokoa, Loharanonkarena azo trandrahana tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap