airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Fenoarivo – Atsimondrano Nahitana fatin-dehilahy natsingevan'ny rano

Sample post image

Nahitana fatin-dehilahy natsingevan'ny rano omaly maraina teny Fenoarivo Atsimondrano. Raha araka ny vaovao azo dia teo anelanelan'ny tetezan'Ambohibary sy Ambodivona no nahitana ny vatana mangatsiakany.

02-août-2022

Olona sendra nandalo no nahita azy nitsotra tao anaty rano efa tsy nisy fofon'aina intsony. Samy nanana ny fahitany ity razana ity moa ny rehetra. Tao ireo nihevitra fa mety nody alina Ratompokolahy ka novonoin'ireo tsy mataho-tody ary natsipiny tany anaty rano. Tao indray ireo nihevitra fa mety reraka sy fanin'ny dian-tongotra noho ny fitadiavana izy ka nianjera ary izao nafoiny hatramin'ny ain-dehibe izao. Na izany aza dia tokony samy hitandrina ny rehetra manoloana ireo mpanao ratsy. Efa tsy mandry fahalemana loatra mantsy eto an-tanàna. Efa tonga nijery ny razana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny nahitana ny mpitandro ny filaminana.
Pati
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap