airtel

Actualités

17-juin-2022

Actualités

Fetim-pirenena 26 jona Hiasa hatramin’ny 11 ora alina ireo Taxibe

Sample post image

Saika manana fandaharam-potoana hitondra ny ankohonany hivoaka avokoa ny ankamaroan’ny isan-tokantrano ny alin’ny 25 jona sy ny 26 Jona ho avy izao mba hanao arendrina sy hijery afomanga.

17-juin-2022

Olana hatrany anefa ny resaka fitaterana eto amintsika, antony nanosika ny kaominina Antananarivo renivohitra handray fepetra mifandraika amin’izany. Raha araka ny fanadihadiana natao dia hampitomboana ny ora hiasan’ireo taxibe eto an-drenivohitra mandritra ireo 2 andro ireo. Raha mijanona amin’ny 08 ora alina izany isan’andro dia tsy hijanona kosa mandritra ny fety raha tsy amin’ny 11 ora alina. Tanjona ny hahafahana mitatitra ny vahoaka amim-pilaminana ho tona soa aman-tsara any an-tokantranony avy. Eo ihany koa ny mba hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana toy ny fanendahana, ny harom-paosy, ny fanaovana sinto-mahery…eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Hiara-hiasa akaiky amin’ny mpitandro ny filaminana ny kaominina mandritra izany hahafahana miaro ireo mpitatitra sy ny mpandeha. Efa misy moa ny lamina napetrak’ireo koperativa isanisany mikasika ity fanapahan-kevitra noraisin’ny kaominina ity.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap