airtel

Actualités

24-juin-2022

Actualités

Fetin’ny asaramanitra Tsy tokony hihinana sakafo mavesatra na matavy be loatra

Sample post image

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona isika eto Madagasikara.

24-juin-2022

Ankoatra ny fanaovana arendrina sy ny fijerena fampisehoana ary afomanga dia tsy afa-misaraka amin’izany ny sakafo miavaka amin’ny mahazatra. Ilana fitandremana be anefa izany raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Barinaina, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Na fety aza mantsy ny andro hoy izy dia tokony hihinana sakafo amin’ny antonony hatrany ny rehetra, izay tsy mavesatra be no sady tsy be menaka. Ny atody ohatra tsy tokony hanina betsaka raha toraka izany koa ny hena matavy. Fadiana ihany koa ny sakafo lany daty hoy izy, masiso, bobongolo ary ny efa simba. Ezahina halavirina ao an-dakozia ihany koa ireo karazam-panafody famonoana bibikely sao sanatria voaray tampoka ka hifangaro amin’ny sakafo….Tokony hadio tsara ihany koa ny tananan’ny mpikarakara sakafo, tokony hosasana amin’ny rano sy savony hatrany izany indrindra rehefa avy any amin’ny trano fivoahana, raha rano efa nampangotrahana hatrany no tsara sotroina. Raha sanatria ka misy zava-mitranga moa hoy hatrany dokotera Fidy aorian’ny fihinanana sakafo toy ny fandoavana, ny kibo marary, dia tokony hanatona mpitsabo avy hatrany ilay marary fa tsy hiandry ela.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap