airtel

Actualités

17-août-2021

Actualités

Fiainam-pirenena Tena ilaina ny zandary fa tsy haitraitra

Sample post image

Vita omaly tao amin'ny Toby Jeneraly Ramarolahy Philibert ao Betongolo ny famindram-pitantanana teo amin'ny Jeneraly Gellé Serge,

17-août-2021

 Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG) vaovao sy ny teo aloha, ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Nantitranterin’ny SEG teo aloha fa tsy hijabaka na hanelingelina ny asan'ny SEG vaovao sy ny tompon'andraikitra rehetra eo anivon'ny Zandarimaria ny tenany fa sitrany dia sitrany raha hitohy ireo ezaka izay efa natao ho fanatsarana ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena ka anisan'izany ny fiarovana ny andrim-panjakana, ny olona sy ny fananany, ary ny fiahiana ihany koa ireo kambotin'ny zandarimaria ao Arivonimamo. Sarotra fa azo atao tsara ny fandimbiasana ny SEG teo aloha hoy ny SEG vaovao. Asa tsara hotsarain'ny vahoaka, hoy izy, no hanaporofoana sy hanamafisana ny filàna sy ny fijoroan'ny Zandarimariam-pirenena eto amin'ny tany sy ny firenena. Namafisiny fa tohizana ireo paikady efa tsara tamin'ny fitantanana ny Zandarimaria ary ampifanindranan-dalana amin'ny fivoarana ireo izay mbola tokony harenina. Marihina fa ny Jeneraly Gellé Serge, ankoatr'ireo marim-pahaizana maro ananany, dia manana ny « Diplôme de l’Université de droit et de Science Criminelle” tao amin’ny “Université de Paris XI ème”, “Diplôme d’Etat-major de la Gendarmerie » tao amin’ny « Centre d’Enseignement Supérieur, France", « Diplôme de l’Ecole de Guerre » tao amin’ny « Ecole Supérieure Internationale de Guerre, Cameroun ». Ny taona 2019 izy no nahazo ny laharam-boninahitra « Général de division » ary efa nitana andraikitra ambony teto anivon’ny Zandarimariam-pirenena toy ny kaomandin'ny Sekolin'ny Zandarmaria nasionaly (EGNA) Ambositra, ny komandin'ny fari-piadidiana ny zandarimaria (CIRGN) Fianarantsoa sy Toamasina ary Lehiben'ny Etamazaoro teo anivon'ny Foibe fibaikoana ny Zandarimaria (CEM) tao amin’ny Toby Ratsimandrava izy no izao voatendry amin’izao andraikiny vaovao izao. Manana ny mariboninahi-pirenena "Commandeur de l’ordre national" izy ny taona 2019, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap