tokantrano Malagasy. Tato anatin’ny 5 taona izao no efa nahitana taratra izany vokatry ny hasarotan’ny fiainana sy ny halalin’ny fahantrana mihatra amin’ny isam-baravarana. Ny fitadiavana ny hanin-kohanina isan’andro no tena mandany fotoana ny Renim-pianakaviana sy ny Raim-pianakaviana arahin’ny efa fanomanana sahady ny fidiran’ny mpianatra indray. Vao tapitra tokoa mantsy ity volana Jolay ity dia tsy manana afa-tsy volana Aogositra sisa ny rehetra hiatrehana izany. Ny 10%-n’ny Malagasy sisa vokatr’izany no mba afaka miala sasatra raha misy. Ireo efa nanao boatin-drakitra nandritra ny taona iray ny ankamaroan’ireo ankoatra ireo nahita lalam-bola hafa tampoka dia mba handeha hiala sasatrakely. Raha kely tokoa mantsy dia mila manana 3 tapitrisa Ar eo ho eo ny olona 5 mianaka raha hijanona ao Mahajanga mandritra ny 10 andro. Tafiditra ao anatin’io lela-vola io ny soliky ny fiara hoentina, ny hofan’ny trano hipetrahana, ny sakafo eny an-dalana ary koa ny filana rehetra any an-toerana. Ampy tsara tsy mihafihafy raha io 3 tapitrisa Ar io no voahangona. Tsy ny rehetra anefa no hanana izany amin’ny ankapobeny. Mitohy hatrany ny ady amin’ny fiainana noho izany ho an-dRamalagasy na dia efa mahatsiaro tena ho reraka sy miraviravy tanana aza. Misy amin’ireo tokantrano Malagasy moa no mbola tsy nahita ranomasina mihitsy na nahita ihany ny sasany fa tany amin’ny 5 taona lasa no farany.
Pati
Legende : Ireo mpanao varo-mandeha no mbola betsaka mameno ny fiara miazo ny faritra amin’izao !
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,