Omaly 28 desambra 2021 tamin'ny 10 ora sy 30 minitra dia toaka voarara mitotaly 2500 litatra no saron'ny zandary avy ao amin'ny Vondron-tobim-paritra Imerina centrale (BPR Antananarivo) teo Ambohimalaza, Antananarivo Avaradrano, hita tao anaty fiara “fourgon” avy any Toamasina ho entina aty Antananarivo. Rehefa notsirihina ireo toaka voarara dia natao tao anaty tavoahangy plastika nasiana soratra hoe Zafimaniry, izay marihina fa tokony ho vokatra avy any Ifanadiana Vatovavy Fitovinany. Ramatoa iray izay sarona nitondra ireo toaka voarara no fantatra fa tompon'antoka amin'ity raharaha ity. Araka ny famotorana dia hita fa atontan-taratasy tsy mifanaraka amin'ny zavatra ho entiny akory sady efa lany daty no nasehony ireo zandary nanao fitsirihana. Voafaritra mazava tsara araka ny paika ankapobeny momba ny hetra (Code général des impôts) sy ny lalàna fototry ny fitatanam-bola (LFI) taona 2021 dia ny andininy faha 20.01.68 fa mety hampigadra mandritra ny 1 hatramin'ny 2 taona ny fitazonana na famarotana na fitondrana mivezivezy toaka voarara. Ankoatr'izay ny taratasin'ny haba sy ny hetra dia tsy azo omena dika ho ampiasain'olon-kafa ary tsy azo anaovana fanomezam-pahefana (procuration) velively, mazava ho azy fa hosoka avokoa ny nataon'ilay ramatoa nitondra ireo toaka voarara, ary voasazy araka ny andininy faha 20.05.01. Nogejaina ireo toaka voarara; notazonina ilay mpamily “fourgon” sy ramatoa tompon'antoka izay nampahafantarina fa afaka mandoa ny sazy (lamandy) voafaritry ny lalàna eny amin'ny fandoavan-ketra aman-tsazy izay mitentina ariary 10.000/litatra ka mitotaly Ar 25.000.000 ho an'ireo toaka 2500 litatra saingy tsy mahasakana velively ny fanolorana azy ireo any amin'ny fitsarana izany. Ankoatra ireo dia naiditra ambalam-pamonjana mandritry ny 10 andro ilay fiara; hatolotra ny fampanoavana ny raharaha anio 29 desambra 2021. Nisy ihany koa fampiasana faktiora hosoka nitondràna ireo toaka voarara. Ny rehetra dia afaka manao fihariana an-kalalahana raha manaraka ny didy aman-dalàna. Tsy hilavo felona ny zandarimariam-pirenena manoloana ny fandikan-dalàna izay tsy mitondra fampandrosoana sy manapoizina ny fiarahamonina, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija sy Pati
Ireto ireo toaka voarara tratra omaly teny Ambohimalaza !
Nanapa-kevitra hampihena ny asany tsy hanao afatsy ireo asa tsy maintsy hatao sy tsy azo hialana na « service minimum» ao amin’ny QMM Taolagnaro ny orinasa Rio Tinto.
Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny La Haute ville sy Andavamamba afak’omaly alarobia 18 mey noho ny fivarotana heroine fantatry
Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.
Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny alin’ny alahady 15 mey hifoha alatsinainy 16 mey lasa teo.