airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

Fiara mpanara-dia ny Filoha tra-doza Ankizy 5, vehivavy 1 ary miaramila 4 naratra

Sample post image

Fiara mifono vy an’ny tafika nanaraka ny filoham-pirenena na “cortège présidentiel” no tra-doza teny Ambatobe omaly alahady 17 oktobra hariva. Olona 10 no naratra naratra,

18-oct-2021

 ka miaramila avy tamin'ilay fiara ny 4, sivily ny 6 ka ny 5 tamin’ireo ankizy. Anisan'ny naratra mafy tamin'izany ny ankizy iray 13 taona, izay tsy maintsy ampandalovina “scanner”. Ankizy saika hiampita tampoka nanoloana ity fiara ity no voalaza fa nahatonga ny mpamily nanitsaka hisatra ka niteraka ny loza. Nivadika, ambony ambany teo amin'ny lalana ilay fiara. Tsy nisy kosa ny aina nafoy araka ny feo miely, hoy ny tatitry ny Fiadidian'ny Repoblika omaly hariva. Nambara fa tsy nisy olona voahitsaky ny fiara ihany koa fa ireo miaramila nitsambikina niala ny fiara hivadika no nahavoadoana ireo ankizy ireo. Somary niteraka adihevitra moa io fanazavana io ary maro no somary nanakiana hoe: sao mba fanamaivanana resaka toy ilay tifi-danitra nahavoa fe tamin’ny raharaha fitifirana mpianatra tany Toamasina? Maro no tsy dia nino loatra an’izay. Araka ny fampitam-baovao ofisialy, nihevitra ilay ankizy fa nifarana ny “cortège” ka niampita tampoka teo alohan’ilay Fiara "fermeture" na namarana izany izy. Taitra tampoka nahita ilay tranga ny mpamilin’ilay fiara nanitsaka “frein” dia nivadika ilay fiara. Ankizy iray amin’ireo 5 ihany kosa no sokajiana ho maratra mafy ary efa nahazo fitsaboana eny anivon’ny HOMI (Hopitaly Miaramila) eny Soavinandriana, raha ny tatitra. Nilaza ny mpitsabo eo anivon’ny Hopitaly fa tsy misy ahiana kosa ireo taova saro-pady amin’ny ain’ilay zaza. Efa nisy tamin’ny marary hafa no nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana, hoy hatrany ny Fiadidian’ny Repoblika. Ny 5 kosa dia tsy maintsy anaovana fanaraha-maso ka efa nahazo “chambre” ao amin'ny HOMI. Nisy anakiroa ihany koa ny efa nalefa natao “scanner” dia ilay vehivavy lehibe izay mitaraina maharary any amin'ny lamosiny sy ilay akizy iray voadona teo amin'ny lohany. Tonga nijery sy nitondra fanampiana hoan'ireo maratra ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale misahana ny Filaminana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Ireto ny lisitr’ireo naratra ho an’ny sivily: Razafidratavy Nomenjanahary Onisoa 14 taona, Ramangason Ny Kanto 4 taona sy tapany, Nomenjanahary Sandrina 2 taona sy tapany, Vonjiniaina Nomenjanahary Teddy Brayan 4 taona, Raharimalala Tsioharana 8 taona, Razafindravelo Christine 24 taona. Ireto kosa ireo miaramila: Ilaifelson 46 taona, Rakotonianina Durlin 30 taona, Beratre Jean Brice 30 taona, Rakotoarinoro Jean Branco izay tsy mbola fantatra ny taonany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap