airtel

Actualités

11-janv-2021

Actualités

Fiaramanidina nitondra ireo volamena Tsy niandry baikon’ny “Tour de contrôle » Ivato

Sample post image

Niainga ara-dalàna tao Ivato ho any Toliara ilay fiaramanidina, sainga dodona

11-janv-2021

 

 


ihany ka tsy niandry ny baikon'ny “Tour de contrôle” farany, raha ny fanazavana sy famoaham-baovao nataon’i Patrick Raharimanana omaly. Niala an'Antananarivo (TNR) hihazo an'i Toliary (TLE), zotra anatiny ny fiaramanidina 5R-ASB ny 31 desambra 2020. Resaka nifanaovan'ny Mpanamory sy ny Mpandrindra ny habakabaka na “Tour de contrôle” eny Ivato, dia tamin’ny 5h08 no nangataka ny hamelona ny moteran'ny fiaramanidina ny Mpanamory; nanome alalana ny “Tour de contrôle” ny amelomana ny motera, ary ny hilazany rehefa vonona ny hanainga. Tamin’ny 5h12 nilaza ny fahavononany hanainga ny Mpanamory. Nankatoa ny fiaingana ny “Tour de Contrôle” ary nanome ny toromarika amin'ny lalana hizorana hanjohy ny “piste” iaingana, ary nangataka ny hanamafisana rehefa tonga eo amin'ny fiantsonana alohan'ny fitilinana. Nanamafy ny fizorany hiazo ny toerana fiantsonana alohan'ny hiaingana ny Mpanamory. 5h14 : nilaza ny dia alehany ny mpanamory; nanamafy ny dia ho any Toliara ny “Tour de controle”, ary nanome ny toromarika momba ny dia, sy ny piste hiaingana. 5h15 : nilaza ny fahatongavany eo amin'ny fiantsonana alohan'ny hiazo ny piste hisidinana ny Mpanamory; naniraka ny mpanamory hiditra ny hitsin'ny piste ny Tour de controle, ary hampilaza rehefa vonona ny hanainga. Nanamafy ny Mpanamory, fa hiditra ny hitsin'ny piste ary hampilaza rehefa vonona ny hanainga. 5h15 : Nangataka tamin'ny “Tour de contrôle” ny Mpanamory ny handray ny lalana manitsy (Izay fanao izy io rehefa tsara ny andro). Nangataka ny hamerenana ny fangatahany ny « Tour de contrôle ». Mangataka ny lalana mahitsy izahay (Trajectoire de départ visuelle na raccourci). Nanome alalana ny Tour de contrôle, ary nanome ny andinindininy ny lalana hizorana aorian'ny fiaingana. 5h16 : Niainga avy hatrany ny fiaramanidina, tsy nampilaza ny fahavononany, ary tsy niandry ny filazana avy amin'ny “Tour de contrôle” ny fahazoan-dalana hisidina (Clairance de décollage). 5h17 : niantso ny mpanamory ny Tour de contrôle, ary nampitandrina azy amin'ny manaraka, fa tokony niandry ny fanomezan-dalana hisidina izy (Clairance de décollage) vao nanainga. Nanome ny toromarika farany momba ny fifandraisan-davitra ny Tour de contrôle ary nirary andro tsara. Nanamafy ny fandraisany ny toromarika momba ny fifandraisan-davitra ny mpanamory ary nirary andro tsara ihany koa. Inona no tena nahamaikay ny mpanamory, izay mahafantatra tsara ny kiptsopitsony rehetra rehefa hanainga ny fiaramanidina ; tsy niandry ny « clairance de décollage »  fa tonga dia nirifatra ?

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap