airtel

Actualités

14-févr-2022

Actualités

Fiarovana ireo tsy ampy taona Hisava tampoka ireo «chambre » ny mpitandro filaminana

Sample post image

Hankalazaina anio alatsinainy 14 febroary ny fetin’ny mpifankatia. Zara lasa fiainan’ny mpifankatia sy ny mpivady eto amintsika mihitsy ny manamarika azy io efa taona maromaro izao saingy ny mampalahelo dia tsy vitsy amin’ireo

14-févr-2022

 ankizy mpianatra vao mianatra mitia ihany koa no efa manararaotra azy io sahady hanimbany ny tenany. Misy ireo mahavita manafina aron’akanjo mihitsy nefa mbola mibaby kitapo na lahy na vavy ary lasa mamonjy ireny trano fisotroana ireny sy ny tranon-dopy na trano fandraisam-bahiny. Mampitandrina sahady ireo tompon'andraikitra misahana ireo trano voatonona eo ambony ireo araka izany ny mpitandro ny filaminana. Hampihatra ny lalàna avy hatrany mantsy izy ireo ho fiarovana ny ho avin’ny zaza Malagasy. Miantso ireo mpampianatra ihany koa izy ireo mba hanamarina ny fialan-tsinin'ireo tsy tonga sao dia misy hianatra ihany hivoaka ny trano anio nefa zavatra mihitsy no hataony. Miantso ny Ray aman-dReny mba hitandrina ihany koa ny mpitandro ny filaminana manoloana ity fankalazana ny datin’ny 14 febroary ity.
Pati
Legende : Atahorana hamonjy trano fandraisam-bahiny tahaka itony ireo zaza tsy ampy taona eto amintsika anio raha tsy voafehy
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap