airtel

Actualités

13-avril-2022

Actualités

Fiarovana ny alan Ankerana Hiara kiasa i Ambatovy sy ny Conservation international

Sample post image

Notanterahan Ambatovy sy ny Conservation International ny 11 aprily 2022 tao Antananarivo ny fanaovan tsonia ny

13-avril-2022

fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fiarovana ny alan’Ankerana. Mirakitra ny fomba fiaraha-miasa, ny fanohanana ary ny fifanakalozana eo amin'ny roa tonta eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny fitantanana ara-drariny sy maharitra ny haren-javaboaary eo amin’ny manodidina sy ao amin'ny alan’Ankerana izay iray amin’ny toerana fanonerana ny zava-manan’aina (na Site Offset) ao Ambatovy izany fifanarahana izany izay navaozina ho an’ny 5 taona ho avy. Tanjona amin’izany fifanarahana izany ny fitandroana ny ambaindain’ny faritra mba hanonerana ireo mety ho fahasimbana eo amin’ny zava-mananaina, sy ny vokatsoa avy amin’ny rohin-javaboahary vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tombontsoa azo sy ny fampiasana maharitra ny haren-javaboaary. Ambatovy no hanome ny fanohanana teknika sy hiantsoroka ny lafiny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fitantanana sy fiarovana. Ny Conservation International kosa, etsy ankilany, ankoatra ny zavatra hafa, no hametraka paikady fampandehanan-draharaha, hitantana ary hanatanteraka ny asa, ary hiantoka ny firindrana eo amin’ny tanjon’ny fiarovana sy ny fanamby mipetraka eo amin’ny lafiny sôsialy sy tontolo iainana manodidina ny faritra mba hanatrarana ny tanjon'ny Fifanarahana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap