airtel

Actualités

08-nov-2021

Actualités

Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro Nanao atrik’asa ho ana ankizy 40 isa ny Orange

Sample post image

Mifandraika indrindra amin’ny fivoriana iraisam-pirenena andiany faha-26 mikasika ny toetr’andro na ny « COP26 » tanterahina any Glasgow ny 1-12 novambra, nisy ny atrik’asa nomena ny anarana « Super Codeurs,

08-nov-2021

 Codons pour la planète » nokarakarain’ny Orange Madagacar teny amin’ny Orange Digital Center ny faran’ny herinandro teo, izay niarahany niombon’antoka tamin’ny PNUD (Programme des Nations Unies pour le Développement). Natokana ho an’ny ankizy io, ka kilonga 10 taona noho miakatra manodidina ny efapolo isa no nandray anjara atamin’ity atrik’asa ity. Tanjona tamin’izany mantsy ny hanao fanentanana ny ankizy momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, ka mifandraikira amin’ny Fanamby 17 ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Lovain-jafy na ODD (Objectif de Développement Durable) io. Nandray anjara tamin’ny alalan’ny fampisehoana sy lalao miendrika tetikasa kely ireo ankizy, ka naseho tamin’ny endrika fifaninana izany. Mifototra amin’ny fampiasana ny « codage informatique » ny zava-drehetra tao anatin’io karazana hetsika miendrika fanentanana mahomby sy mitondra fivoarana momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro io. Ho an’ity taona ity, firenena miisa valo misy ny tambajotran’ny Orange Digital Center no mandray anjara amin’ny « SuperCodeurs “Codons pour la planète” », ka hifampizara ireo asany ao anatin’ny fifanakalozana, ka tafiditra ao anatin’izany i Tunisie, Côte d’Ivoire, Maroc, Jordanie, Madagasikara, Sénégal, Mali, ary i Cameroun. Manana anjara toerana lehibe ao anatin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity moa ny Orange Fondation.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap