Fitaovana milanja 48,8 taonina ahitana fitaovana sy kojakoja ho an’ny traboina toy ny labasy plastika sy kojakoja fanamboarana trano ravan’ny rivodoza; kojakoja ao an-trano toy ny vilany sy ny siny; ary fitoavana fanadiovana rano mba hisorohana ny aretina entin'ny rano misy loto io, izay mitentina 1 200 000 dolara, nalefan’ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) ho an’ny BNGR (Bureau National de Gestion des Risques et Catastrophes) mba ahafahan’ity sampandraharaha ity miatrika ny karazam-boina nateraka sy mbola mety hateraky ny fikorontanan’ny toetrandro. Olona miisa 25 000 avy amin'ny tokantrano miisa 5 000 no hisitraka izany. “Maro ny rivodoza nisesy sy efa nandalo tamin’ity taona ity, ary mbola tsapa hatrany ny fiantraikan’ny fandalovan’izy ireo tany amin’ny faritra midadasika be any Atsimo Atsinanana any .Ireo fitaovana ireo dia hanampy ireo izay mbola miaina fotoan-tsarotra noho ny rivodoza, ary hiomanana ihany koa ny amin’ireo rivodoza mbola ho avy", hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, John Dunlop. Ny CRD (Catholic Relief Service), ADRA (Agence Adventiste de Développement et de Secours, ny Croix-Rouge, ary ny Care international no hiantsoroka ny fitsinjarana ireo fitaovana. I Etazonia hatreto no firenena nitondra fanampiana betsaka indrindra ho an’i Madagasikara amin’ny lafiny maha olona. Manampy olona miisa 894 000 mahery ny tetikasa vatsian’ny USAID vola any amin’ny faritra atsimo, mitsabo sy misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny vehivavy sy ankizy 414.000, manatsara ny rano ho an’ny olona miisa 54.000, ary manampy ireo tantsaha maherin’ny 565.000 amin’ny asa fanarenana ny fambolena,... Nanomboka ny 2020, maherin’ny 104 tapitrisa dolara ny fanampiana ara-tsakafo nomen’ny Amerikanina nanohanana ireo lasibatry ny haintany sy ny rivo-doza, ary teo ihany koa ny fanampiana hafa toy ny fisorohana ny coronavirus sy ny fiatraikany.
Toky R
Tsy hita intsony izay marina sy diso mikasika ilay raharaha fahaverezan-tsolika 64 000 litatra teo anivon’ny Jirama. Andaniny,
Mandrava sy maka ny tanin’ny vahoaka madinika ao Nosy be Hell ville ny karana sy vahiny ary mpanam-bola,
Efa tany amin’ny 6 taona lasa no nametrahana io “coffre” io, tany amin’ny taona 2016 tany ho any no efa very ireo volamena 36,433 kg ary tsy fantatra mazava hoe:
Nahatrarana trafikana volamena indray teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly 28 jona 2022 hariva. Teratany Sri lankais iray,