airtel

Actualités

28-oct-2021

Actualités

Fidangan’ny fitaovana fanorenan-trano Sao dia tokony atsahatra kely aloha ny fanorenana ?

Sample post image

Misy kosa ny manolo-kevitra hoe: Atsaharo aloha ny fanorenana!! Antony roa ny tena mampiakatra an'io ka voaloany dia ny saran’ny fitaterana na ny “fret maritime”, ary faharoa ny “speculation” na fanafenana ny entana.

28-oct-2021

 Ny saram-pitaterana no ambony noho ny vidin'ilay entana. Nitombo avo 2 sy 3 heny ny saran'ny fitaterana an-dranomasina noho ny fihitsohan'ireo kaontenera any Eoropa sy Amerika vokatry ny covid-19. Amin'ny janoary eo io vao hiverina amin’ny laoniny raha ny tombatombana. Betsaka koa ireo mpibizina te hanan-karena tampoka manoloana ny tsy fahafehezana sy tsy fahaizana na “incompetence” an'ny fitondrana ka samy mampiakatra araka izay tiany. Ny atsy amin’ny Nosy Maorisy izao efa nidina ny simenitra tamin’ny fiandohan'ny Oktobra teo. Ny fidrikinantsika hanohy hanjifa hatrany dia tsy mampihena ny tinady ka vao maika hitohy ny fiakaran'io raha tsy miato aloha isika. Ny tena loza, haintsika ihany ny Gasy fa raha hiverina amin’ny laoniny ny “fret maritime” dia tsy hisy hampidina izany eo fa hangalatra aza atao, ka dieny tsy tara loatra dia aleo aloha hatsahatra ny fanjifana mba ho marin-toerana ilay vidiny. Ho avy izao ny fahavaratra dia hanahirana ny fampitaovana sy fitahirizana na “logistique” an'ny simenitra izay mora simba, ka raha tsy manjifa isika izao dia voatery hampidina ny vidiny izy ireo hampihena haingana ny tahiry, hoy ny fanehoan-kevitra. “Ekena fa manam-bola be ianareo fa tsinjovy ny sarangam-piarahamonina antoniny na ny “classe moyenne”, izay tena lasibatr'ity fidangan’ny vidim-piainana na “inflation” ity, atsaharo kely aloha ny fanorenana”, hoy hatrany ny fanehooan-kevitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap