airtel

Actualités

01-mars-2022

Actualités

Fidorohana eto an-drenivohitra Mahalafo heroine 30 fonosana isan’andro ny mpamatsy iray

Sample post image

Tena miparitaka ny zava-mahadomelina mahery vaika heroine eto an-drenivohitra. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina lehilahy iray 44 taona mpamatsy izany , monina eny Antohmadinika ,

01-mars-2022

 mantsy dia mahalafo 1 ka hatramin’ny 2 grama isan’andro izy izany hoe 30 fonosana isan’andro eo ho eo. Midoroka ihany koa izy ary in-telo no fatran’izany ka 4 fonosana isaky ny mifoka izany hoe: mahalany 12 fonosana isan’andro ihany koa izy ho an’ny tenany manokana.Efa tratran’ny mpitandro ny filaminana io lehilahy io. Lehilahy iray hafa ihany koa izay 24 taona no tra-tehaka niaraka tamin’ny héroine 27 fonosana teny Antanjombe Ambohimanarina. Nandritra ny fisavana natao taminy dia mbola nahitana rongony 3 grama, fitaovam-pihinana héroïnes toy ny capsule 01, séringue 01, briquet 01 tany aminy. Mahalafo fonosana 30 isan’andro koa ny lehilahy ka vidiany 3.000Ar ny iray fonosana ary hamidy 5.000Ar avy eo. 50 fonosana kosa ny fividiny isan’andro. Fantatra ihany koa fa sady mifoka rongony ny tenany no mitsindrona héroine ka fonosana roa isaky ny mitsindrona no hataony in-droa isan’andro. Efa tamin’ny taona 2021 izy no nitsindrona héroine izay nisarika azy nivarotra ka ny tombony no hampiasainy hitsindromana. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ireto. Mahatsiaro sambatsambatra moa hono izy ireny rehefa avy mitsindrona heroine ary milaza fa mahatsapa zavatra tsy tsapan’ny rehetra mihitsy no sady mahazo hery.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap