airtel

Actualités

01-avril-2022

Actualités

Fifandraisan-davitra Miha ratsy hatrany ny tolotra

Sample post image

Tao anatin’ny herinandro indray izay. Tsy tomombana ny fifandraisana amin’ny antso an-telefaonina. Tapatapaka, tapaka ho azy ny antso, miha tsy hita ny fifandraisana na “réseau”.

01-avril-2022

Saika ahitana io olana io avokoa ireo mpampiasa ny tambazotra rehetra. Manahirana hatramin’ny fifanakalozam-bola aza ho an’ireo orinasam-pifandraisana sasany. Isan’ny nanome fanazavana momba ity tranga ity izao omaly, ohatra, ny avy eo anivon’ny MVola, izay rantsana misehatra anatin’izany anatin’ny vondron’orinasa Telma. Araka ny fanazavan’izy ireo omaly dia nisy mihitsy ny fikorontanana teo amin’izay lafiny izay ary efa eo am-pamahana ny olana ireo tomponandraikitra. Isany tena nampitaraina koa nefa tetsy an-kilany ny resaka fisosan-jotra na “connexion” amin’ny aterineto ary isan’ny tena velon-taraina tamin’izany ireo mpampiasa ny tambazotra Orange. Araka ny fitarainan’ny mpanjifa iray dia na ny fetran’ireo tolotra aza tsy mazava intsony hoe hafiriana ary rehefa inona no miasa ireo tolotra manokana na “bonus”? Isan’ny mbola mampitaraina ireo mpampiasa Telma voalaza teo koa io satria dia nisy tolotra iray nihena hatrany ny fetrany satria raha herinandro izany teo aloha dia lasa 3 andro sisa kanefa 3 andro mbola tapatapaka ihany koa. Hita ho miha ratsy hatrany araka izany ny tolotra mikasika izay fifandraisan-davitra izay eto Madagasikara ary mampametra-panontaniana hoe aiza ho aiza moa izany izao ny tohin’ilay fanadihadiana parlemantera mikasika azy ity ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Trano manodidina ny 5 isa, ahitana fianakaviana 20 samihafa no fantatra fa misy

Card image cap
15-avril-2024

Nanontany ahy ny fiadidiana ny fananan-tany na «domaine» hoe ahoana ny mahakasika ilay

Card image cap
12-avril-2024

Tsaboina ao amin'ny CHRR Maintirano ny zazavavy kely iray niharan'ny fanolanana,

Card image cap
12-avril-2024

Tsy matoky io fitondrana mpanao amboletra io izahay, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika.

Card image cap
12-avril-2024

Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha

Card image cap