airtel

Actualités

02-sept-2022

Actualités

Fifaninana hidirana ho mpianatra polisim-pirenena Hotontosaina ny 26 ka hatramin’ny 29 septambra ny andiany faha-2

Sample post image

Hotontosaina ny 26 Septambra ka hatramin’ny 29 septambra ho avy izao ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisim-pirenena andiany faharoa. Ho an’ny mpiadina élèves Commissaires Police sy élèves Officiers de Police ary ny élèves

02-sept-2022

Inspecteurs de Police dia eto Antananarivo Renivohitra no hanaovana izany. Ho an’ny élèves Agents de Police kosa dia eny amin’ny Direction Régionale de la Sécurité Publique no foibem-panadinana hanaovana ny fanadinana fiodinana faharoa. Samy hanana ny fanadihadiana hatrehiny mpiadina, raha araka ny fampitam-baovao azo. Ho an’ny élèves Commissaires de Police sy élèves Officiers de police ary ny élèves Inspecteur de Police dia misy ny adina am-bava sy antsoratra ary ny fanatanjahantena.Misy ihany koa ny test psikoteknika. Ho an’ny élèves Agents de Police indray dia misy ny adina an-tsoratra sy am-bavaka ihany koa ary ny éducation physique. Tsara ho marihina fa mbola misy ny Visite Médicale izay atao amin’ity fiodinana faharoa ity izay alaina ao amin’ny site web ny Polisim-pirenena Malagasy na manatona ny foibem-panadinana eny amin’ny Direction Régionale de la Sécurité publique isam-paritra ka ny hopitalim-panjakana irery ihany no afaka manao izany . Tsy mahazo manao fanadinana araka izany ny mpiadina tsy mitondra io Certificat Medical CM2 io. Hampahatsiahivina ihany koa ny mpiadina rehetra mba tsy hanadino ny karapanondrom-pirenena sy ny convocation noentina tamin’ny adina voalohany rehefa anao ny adina faharoa amin’ny fifaninana hidirana ho mpianatra polisy. Tsy maintsy manao short sy tee-shirt moa ny mpiadina rehetra rehefa hanao ny adina ara-panatanjahantena ary voarara ny fihinanana fanafody mampatanjaka izay mety hitera-doza ho an’ny mpiadina. Tsiahivina moa fa miisa 1450 izy ireo no hiatrika ity andiany faharoa ity rehefa tafavoaka tamin’ny fifaninana andiany voalohany.
Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap