airtel

Actualités

29-juil-2022

Actualités

Fifaninanana “Mvola Developper” Nisongadina ireo mpianatry ny IT University

Sample post image

Mpianatra 4 mirahavavy avy ain’ny IT University no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana tamin ny Hackaton Telma “Mvola Developper”,

29-juil-2022

dia Rakotonirina Liantsoa, Rakotoarisoa Miaingo Diamondra Vanya, Rasolofoson Andriambelo Liantsoa, Razafimahiny Anjara Nasolo Ericka, samy taona faharoa ao amin’ity Sekoly ambony tsy miankina mampianatra ny tontolon’ny informatika ity avokoa izy ireo, ary manodidina ny 18 taona ny salan-taonany. Niompana amin’ny antsoina hoe API (Interface de programmation d’application) moa ity fifaninana ity. Ny tetikasa antsoina hoe Y-VAROTRA, tranonkala mampifandray ny mpamatsy sy ny mpanjifa no nahazoan’izy ireo ny amboara. Karazana fampiroroboana ny varotra an’habaka na an-tranonkala, ka na orinasa na mpivarotra manokana, dia samy afaka mivarotra ny vokany ao anatin’ity voka-pikarohan’izy ireo ity. Tahaka ny manao doka ireo entana hamidy ka hampiparitaka azy ho hita haingana ny asan’io voka-pikarohana io. Mifototra betsaka amin’ny fampiainana ilay vokatra ho eny amin’ny tsena an’habaka izany no tena mampiavaka ny Y-VAROTRA, izay amin’ny alalan’ny teknolojia mazava ho azy. Tena naharesy lahatra ireo mpitsara ny fahaizan’ireto tanora ireto tamin’ity fikarohany ity, ka tsy nisy fihambahambana ny naha voasohotra ireto tovovavikelin’ny IT University ireto handrombaka io andiany voalohany tamin’ny fifaninana io. Ny 23-24 jolay teo teny amin’ny Nexta Antanimena moa no natao ny lanonana fanomezana ny loka goavana ho azy ireo, izay nahazo ny lelavola 2 500 000Ar avy amin’ny Mvola an’ny Telma.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap