airtel

Actualités

13-déc-2022

Actualités

Fifanolanana tany sy làlana etsy Ambatomaro Voatohintohina ny didim-pitsarana, hoy ny tompony

Sample post image

Mitohy ny fifanolanana mikasika ny làlana etsy Ambatombaro izay hamafisin-dRtoa Razakarisoa Minosoa Perpetue fa anatin’ny taniny Lova XII mirefy 9A38Ca izay misoratra aminy ara-dalàna, Titre N°31281A.

13-déc-2022

Nisy ny fifanolanana ny tany nanomboka ny 2015 noho ny ambarany fa fanaovana an-terisetra ny taniny hatao làlana niampy fananganana tsy ara-dalàna, nandeha ny raharaham-pitsarana samihafa, ka ny 2019 no nivoaka ny didy farany avy amin’ny Fitsarana Tampony na ny Cour Suprême, izay nanome rariny azy. Voafaritra ao anatin’ny didy ny fanakatonana ny “chémin privé” sy fanjerana trano tsy ara-dalàna rehefa nahazo rariny izy, raha ny nambarany tamin’ny mpanao gazety omaly. Ny fanjerena no vita, efa narodana daholo ireo trano tsy ara-dalàna saingy mafy loha ireo olona ireo dia natsangany indray. Ny làlana kosa tsy nety voahidy na efa misy taratasy mazava avy amin’ny fitsarana ka voahitsakitsaka ny lalàna sy ny hasin’ny fitsarana, araka ny fanazavany, manontany sy miantso ny Fanjakana izy hoe: inona no ataonay ary aiza no lalan-kalehanay raha ny didim-pitsarana izay navoakan’ny Fitsarana Tampony aza hitsakitsahina? hoy izy. Ny “servitude de passage” na fanomezan-dàlana dia misy làlana hafa ao ambany ao, fa finiavana hihetraketraka no atao anay, ary ny làlam-bahoaka dia misy saingy nisy nanao fananganana tsy ara-dalàna saingy tsy raharahian’ny fokontany, hoy izy. Nomarihiny fa efa nitondra ny ady tany amin’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana noho ny fidirana an-tsehatra nataon’ny kaominina tao anatin’ny ady izy, fa rehefa nentina teny dia manaiky ny kaominina fa tena zavatra tsy miankina (purement privé), fa tsy làlam-bahoaka, raha ny fanazavany. Notsipihiny fa tonga teo ny depiote Naivo Raholdina manampy ireo ambarany fa mpietraketraka aminy, ka lasa tahaka ny hery hizahozahoan’ireo mampiasa ny taninay satria io depiote io no niteny hoe: tsy azo hidiana io làlana io, hoy izy. Mangataka ny fampiharana ny didy rehetra navoakan’ny fitsarana izay eo am-pelantany Rtoa Razakarisoa Minosoa Perpetue izay nanipika fa tany tan-dalàna isika fa tsy misy ambonin’ny lalàna ka tokony hajaina izany. Efa betsaka ny fifampiresahana hoe: vidio indray ary tany io ka dia miova tany ka “titré” sy “borné” ary “accès” mazava misoratra amiko hanonerana azy fa tsy nisy tohiny, hoy izy. Ho fampiharana ny fanidiana ny làlana, izay dia nisy ny sakana napetraka tamin’ny alalan’ny vato goavana miisa 3 omaly tolakandro.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap