airtel

Actualités

04-oct-2021

Actualités

Fifidianana amboletra, hetraketraka Nampitandrina ny Minisitra ny mpanao gazety

Sample post image

Nitsangana ny « cellule de crise » ho an’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety noho ny fahatsapana sy fahitana fitsabatsabahana, kajikajy politika, hetraketraka,…

04-oct-2021

 ataon’ny Minisiteran’ny serasera amin’ny maha minisitera azy, ary voatonona manokana ihany koa ny Minisitra mpiahy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Niray feo ny mpanao gazety, ka nanao fanambarana miezinezina tetsy amin’ny Karibotel Analakely omaly 3 oktobra. Nampitandrina sy nitaky hanatsaharana tsy misy hatak’andro ny fifidianana izay ho Filohan’ny Holafitry ny OJM, izay hatao ny 16 oktobra izao. Araka io fanambarana io mantsy, miverina sy vao mainka mitombo indray ny tranga maro samihafa izay efa nisy teo aloha, tsy nahafahana nanatontosa ny fifidianana ny biraon’ny OJM tamin’ny taona 2017. Nivoitra fa manao fisandohana andraikitra na « usurpation de fonction » ny Minisiteran’ny serasera amin’ny fitsabahana amin’ny asan’ny OJM satria na ny komity mikaraka ny fifidianana aza niainga avy ao aminy ny fanendrena. Nisy ihany koa ny fampidirana andinin-dalàna tsy araka ny tokony ho izy ao anatin’ny « code de la communication », ny adininy faha 55 bis nouveau tamin’ny lalana 2020-006, izay manilika ny mpanao gazety tsy hisitraka ny zo hirotsaka ho fidiana (non inclusive) ka manome vahana ny Minisiteran’ny serasera irery hifehy ny OJM hajorony, hoy ny fanambarana. Tsy miafina intsony ny kajikajy politika ataon-dramatoa minisitry ny serasera hampandaniany ny kandida tokana avy aminy ary indrindra hamotehana ny asa fanaovan-gazety. Tsy mazava sy tsy misy fangaraharahana ny fifidianana, tsy misy fitsipi-dalao mazava, ny fe-potoana fikatonan’ny firotsahan-kofidiana no tena fantatra, fampiakarana ho 93 ny lisitra hofidiana izay misy solontena isaky ny faritra izay efa fampihenana ny vintana ho an’izay mety te hirotsaka, fampidirana anto-bola 3 tapitrisa Ar na mihoatra aza,… Amin’ity fifidianana ity moa, tsy fantatra mazava hoe : iza marina ireo lisitra 92 miaraka amin’ilay kandida, ary misy resaka mandeha aza fa mbola tsy feno talohan’ny fahataperan’ny fe-potoana firotsahana ny 26 septambra. Tsy ho tombontsoan'ny mpanao gazety no nandrotsahana ireo olona narotsany anaty lisitra iray ho kandidà tokana, fa ho tombontsoa manokan'ny minisitra , hoy ny fanambarana. Tsy ara-drariny ny fifidianana, ary tsy hanana hery hampivondrona ireo mpikamban’ny OJM vaovao, ka tsy azo ekena ny fifidianana, miantso ny Minisitera tsy hisalovana ny andraikitry ny rafitra misy azy ny mpanao gazety. Raikitra noho izany ny fijoroan’ny mpanao gazety hotarihin’ny « cellule de crise », ka hanomboka ny hetsika samihafa, ary tsy hijanona raha toa ka minia manampin-tsofina manatanteraka io fifidianana io ny minisitera.
ATSAHARO NY HETRAKETRAKA
Naneho fanohanana ny orinasa La Gazette de la Grande Ile izay notorian’ny minisitry ny serasera ny mpanao gazety tamin’ny fanambarana. Mitaky tsy misy fepetra ny famerenana ny fahalalahan’ny mpiasan’ny haino aman-jerim-panjakana izay tratry ny takalon’aina ankolaka ankoatra ireo noroahina tsy ara-drariny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap