airtel

Actualités

29-juil-2021

Actualités

Fifofoana ny ain’ny Filoha Misy idirana resa-bola tamin’ny fifidianana ?

Sample post image

Tsy arakaraka ilay fanamelohana sasany, izay toa maneho sy manondro ireo tsy mitovy hevitra ara-politika amin’ny mpitondra aloha ny ahiahy amin’ny mety ho ao ambadiky ny famonoana ny Filoha,

29-juil-2021

 na misy aza ny fanambarana ny faran’ny herinandro teo fa tokony hiala i Andry Rajoelina noho ny tsy fahaiza-mitantana sy fandikan-dalàna. Hatramin’izao, manamboninahitra ambony, olona avy ao amin’ny GSIS, izay hery manokana an’ny zandarimariam-pirenena ary tena tsara hofana sy natokana hiaro ireo manampahefana ambony na vahiny mandalo eto Madagasikara no voasambotra. Efa nafindra toerana tamin’ny alalan’ny « affectation disciplinaire » any Antsiranana ny Kaomandan’ny GSIS. Na i Paul Rafanoharana isan’ireo nosamborina aza dia olona efa niara-niasa tamin-dRajoelina ihany taloha, zandary Frantsay misotro ronono, i Sareraka dia tahaka ny hoe vary sy rano izy sy Andry Rajoelina. Misy siosion-dresaka tsy azo hamaivanina aza milaza aza, fa olona tena akaiky ihany no atidoha, ary misy resaka vola mifampiditra tamin’ny fifidianana Filoha ny taona 2018 ka noho io antony io no mampifanditra ny samy mpiara-miasaika mivantana na an-kolaka ao anaty Fitondrana, araka ny loharanom-baovao tsy ofisialy. Fa iza marina izany no tena mahita tombotsoa amin’ny hamonoana ny Filoha na amin’ny fampihorohoroana fa misy mikasa hamono izy sy ny manampahefana hafa araka ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana vao tsy ela akory izay ? Ny mpanohitra efa fantatra fa tsy manana fahefana ary voaara-maso isan’andro na mitoetra, na mandeha. Porofon’izany ny manjo an’i Marc Ravalomanana na an-tsaha na an-tanàna. Na eny Faravohitra toeram-ponenany na rehefa mandeha misy mitsongo dia foana hatrany am-piangonana. Mety tsy ho latsa-danja amin’izany ny hafa. Henjakenjana noho izany ny fanadihadiana.
FIFANDRAISANA AMIN’IREO MANODIDINA
Ahiana hatrany sy averimberina eto ny hoe : sao mba ny fifandirana anatiny na ny “règlement des comptes” eo amin’ny samy mpitondra na ny mpiray petsapetsa no terena ho lasa raharaham-panjakana ? Manao ahoana ny fifandraisan-dRajoelina amin’ireo tompon’andraikitra ambony toy ny mpikamban’ny governemanta sasany, ireo mpandraharaha manodidina azy, ireo mpitarika politika nifanao « deal » na fifanarahana taminy,… eny fa na ireo nilaza ho manameloka ny famonoana azy aza? Ahoana ihany koa ny momba ireo mpiara-mikatroka ao anaty Fanjakana toa misy tsy taitra mihitsy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap