airtel

Actualités

11-août-2021

Actualités

Fifohana cristal amphétamine Olona 7 no voasambotra teny Ankazomanga

Sample post image

Olona miisa fitobe izao no nosamborin’ ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny Ankazomanga ny Alatsinainy 09 Aogositra lasa teo

11-août-2021

 tokony tamin’ny 02 ora tolakandro rehefa nifoka rongony mahery vaika antsoina hoe « Cristal Amphétamine » irony. Nahazo vaovao ny polisy fa misy trano fifohana rongony mahery vaika eny amin’iny faritra iny. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana izany ny polisy. Olona miisa 07 ba izao vokatr’izany no sarona tao ka vehivavy ny 03 raha lehilahy ny 04 izay mbola tratra teo am-pifohana ihany koa. Tamin’ny fisavana ihany koa dia nahatrarana rongony « Cristal Amphétamine » milanja 1.7grama sy ireo fitaovana fifohana na « BANG » miisa 03 sy « briquet » miisa 06 ary sachet plastika fitoeran’ireo rongony mahery vaika tany amin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny Polisy ireto olona ireto nanaovana fanadihadiana. Tamin’izany no nahafantarana fa mpifoka rongony ny 06 amin’izy ireo ary lehilahy iray kosa no mpanatitra izany rehefa hifoka ireto olona ireto. Fantatra ihany koa fa 200.000Ariary no hividianana ny 1grama amin’ity rongony mahery vaika ity ary in-droa no fanaterana izany isan-kerinandro ka 2grama isaky ny manatitra. 23 taona ny zandriny indrindra raha 40 taona kosa ny zokiny indrindra amin’ireto mpifoka rongony ireto. Natolotra ny fampanoavana omaly izy 7 mianadahy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap