airtel

Actualités

16-févr-2022

Actualités

Fihaonana an-tampon’i Eoropa sy Afrika Miandrandra anjara amin’ilay 150 miliara euros ny Fitondrana

Sample post image

Handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampon’ny Fivoriamben’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny Vondrona Afrikanina (UA) andiany faha-6 hatao any Bruxelles manomboka ny 17-18 febroary 2022 izao i Madagasikara.

16-févr-2022

Ny Filoha Rajoelina mivady arahin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny, minisitry ny fambolena sy ny fiompiana, minisitry ny tontolo iainana no mitarika ny delegasionina any an-toerana. Lohahevitra maro no hodinihina any: famatsiam-bola, fahasalamana sy ny vaksiny, fiompiana sy fampandrosoana maharitra, fampianarana, kolontsaina, fanofanana arak’asa, fanampiana ireo sehatra tsy miankina, filaminana, fandriampahalemana, fahaiza-mitantana, fifindra-monina, ary ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny angovo azo havaozina. Nambara fa efa misy ny fandaharan’asa mandritra ny 6 taona ao anatin’ny PIM (Programme Indicatif Multi-annuel 2021-2027 isika, lazaina fa narindra mifandraika amin’ny PEM (Plan Emergence Madagascar), ka ilazana fa laharam-pahamehana ny fahaiza-mitantana sy ny fampivoarana ny mahaolona, fampandrosoana maharitra, fiarovana ny tontolo iainana. 492 tapitrisa no azontsika tamin’ny PIM ny nanomboka ny taona 2014, izay nifandraika tamin’ny FED (Fond Européen de Développement) andiany faha-11. Mba hiandrandra fanampiana sy anjara tohana ara-bola indray aloha izany Fanjakana Rajoelina. Volabe hatrany amin’ny 150 miliara euros mantsy no hahetsiky ny Vondrona Eoropeanina anatin’ny tetik’asa “Global Gateway”, araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Kaomisionina Eoropeanina Ursula Von der Leyen, ka hanampiana ireo firenena manana tetikasa momba ny angovo azo havaozina, fampihenana ny loza voajanahary, fampiasana ny internet, ary ny famokarana vaksiny io. 59 ny firenena Afrikanina, mahazo 2,5 miliara dolara mahery avy raha zaraina mitovy. Raha raisina amin’ny toe-javatra sy fahasahiranana mahazo an’i Madagasikara, tokony hisitraka ambony lavitra noho izany. Tena afaka mandresy lahatra ve ny mpitondra ka hahazo izay tokony ho anjarany i Madagasikara? Hamokatra ny dia sa tsy hahaleo ny sarany ny vidiny tahaka ny tany amin’ny Fihaonambe momba ny fiovan’ny toetr’andro na “COP 26” ny novambra 2021 izay “selfie” no betsaka fa ny vokatra mbola tsy tsapa hatreto. ENCADRE Marihina fa tany amin’ny COP 26 dia nanambara ny filàna famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara momba ny tetikasa hisitrahan’ny malagasy ny angovo “Ethanol” ny fanjakana Malagasy. Nandritra io ihany koa ny nikabarian’ny Filoha Rajoelina fa tokony hetsehina ilay 100 miliara dolara ho an’i Afrika. Asa mba ohatrinona no azon’i Madagasikara? Tena mahomby sy mahay mandresy lahatra ve ny Fanjakana Rajoelina? Asa amin’ity hoe: hamokatra sa ny fandraisan’anjara hatrany no zava-dehibe ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap