Na teo aza ny fampanantenan’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny tanànan’Antananarivo, Richard Ramanambitana, ny amin’ny hamahana ny olana eo amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasan’ny kaominina misahana ny resaka fako sy ny mikasika ireo fanonerana hafa mbola tsy voaloha rehetra natao makotrokotroka tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, volana vitsy lasa izay, dia hita ho fihetsiketsehana no be dia be fa miverina hatrany ny fako be hatreto. Isan’ny tsy zaka moa ny manamorona ny fiantsonam-piara fitateram-bahoaka etsy Analakely, izay misavovona dia misavovona. Toy izany koa ny hiakatra an’i Mascar sy ny etsy Amboditsiry manolona ny farmasia. Ny etsy 67ha, izay manoloanana toeram-pisakafoana na «restaurant» mihitsy. Ny etsy Avaradoha koa aza miha miverina mitady hibahana arabe indray sy ny hafa maro tsy voatanisa. Hahagaga tokoa ve i Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, raha ho voasokajy ho tanan-dehibe voretra indrindra eo amin’ny sehatra iraisampirenena?
J. Mirija
Tontosa omaly alakamisy 16 janoary 2025 teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fametrahana sy fianianana
Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fisian-drano eto amintsika. Antony hitadiavan’ireo mpanao
Hisy fivarotana amin'ny alalan'ny lavanty kojakoja elektrika avy amin'ny Jirama,
Efa lasa manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara hatrany hatramin’ny omaly hariva fotoana
Fahotana faratampony amin’Andriamanitra no sady miteraka ozona mahatsiravina ny Ray manam-bady ny zanany
Tovolahy iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa hita faty tao anaty tano tao Ampitarihana,