airtel

Actualités

02-août-2022

Actualités

Fikambanana ADS “Deraina ny fitondrana raha mahavita mampiasa an’i Tsimiroro”

Sample post image

Isan’ireo nanotrona ny dinik’asa iombonana ho fanavotam-pirenena natao tetsy Behoririka ny sabotsy teo ny fikambanana ADS na “Abattoir dynamique solidarité”.

02-août-2022

Naneho ny fahafaham-pon’izy ireo nanoloana iny dingana vita izy ireo omaly. Teboka miisa, hoy izy ireo, no tena takianay. Voalohany, ny fampihavanam-pirenena tena izy, hoy ny filohan’ny ADS, Lova Andrianjaka. Faharoa, fanarenana ifotony, izany hoe, atomboka ety amin’ny kaominina amin’ny alalan’ny fokontany ny fifidianana hatao. Miara-mientana ny mpanao politika eny amin’ny fokontany hanapaka sy hanadio ny lisitry ny mpifidy. Isan’ny tena nifantohana tao amin’ny IT Behoririka rahateo io. Mila ovana mihitsy ny lalam-pifidianana satria ny andininy faha 45,46,47 hatramin’ny faha 50 dia manambara tsara mihitsy fa ny safiotra na manana zom-pirenena miisa 2 dia tokony tsy hirotsaka ho fidiana intsony. 45 taona noho miakatra no tokony mahazo milatsaka filoham-pirenena. Ny tsy hisian’ny ra mandriaka no tanjona. Toy izay no fototry ny adihevitra tao izay ho alefa eny anivon’ny antenimieram-pirenena amin’ny fivoriana manaraka. Tsy maintsy ho mpanohitra rahampitso ny mpitondra amin’izao. Ny fahatelo moa dia ny tokony ho fisitrahan’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka ny harem-pirenena fa tsy ho ny vazaha hatrany no hisitraka izany. Nifanena tamin’ny fotokevitra hijoroan’ny ADS ny tao. Antoko politika, vovonana, fikambanana, fiarahamonim-pirenena miisa 180 teo moa no nahatonga solontena teny an-toerana, raha ny fanazavana hatrany. Ny fiandohan’ny septambra indray kosa no heverina ho fihaonana manaraka. Tokony hifampihaino ny mpitondra sy mpanohitra. 32 ny isan’ny olona maty nefa ny mpitandro filaminana magro no feno azy. Miantso ny fitondram-panjakana mba handray andraikitra faran’izay haingana amin’ilay fampiasana ny menaka mavesatr’i Tsimiroro fa tena hiderana azy raha vitany izany, hoy hatrany ny ADS.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap