airtel

Actualités

25-août-2021

Actualités

Fikambanana AFHAM Folo taona nanampiana ireo vehivavy manana fahasembanana

Sample post image

Folo taona katroka ny nanampiana ireo vehivavy manana fahasembanana eto amintsika ny AFHAM na ny Association des femmes handicapées de Madagascar, tarihin-dRazafinjato Fela.

25-août-2021

 Ny 31 Aogositra taona 2011 no niorina ny fikambanana izay ahitana mpikambana maherin’ny 600 ankehitriny, miparitaka manerana ny faritra 19 eto amin’ny Nosy. Raha folo teo ho eo no niandohan’ny mpikambana teny aloha dia iray ihany koa ny mpiara-miasa raha 10 tapitrisa Ar no lela-vola nokirakirain’ny fikambanana. Ankehitriny ny 2/3-n’ireo vehivavy manana fahasembanana mpikambana no efa mahavelon-tena ara-dalana sy afaka niharina tamin’ny fiainana raha efa mahatratra 200 tapitrisa Ar kosa ny vola kirakirain’ny fikambanana ankehitriny, tohanan’ireo mpamatsy vola miisa 16. Azo lazaina ho fahombiazana tanteraka no azo hoy Razafinjato Fela, filohan’ny fikambanana, antony hanaovan’izy ireo lanonana makotroka entina hanamarihana izany. Hanomboka rahampitso alakamisy ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Talata 31 Aogositra ho avy izao. Ankoatra ny fifaninana dihy sy hira tanterahin’ireo vehivavy manana fahasembanana, ny fampisehoan’izy ireo ny fahaiza-maoany dia anisan’ny hodinihina mandritra izany ihany koa ny fiovana entin’ny AFHAM ho an’ireo vehivavy manana fahasembanana ato anatin’ny 10 taona ho avy. Anisan’izany ohatra ny fametrahana ny fikambanana any amin’ny Faritra Androy…. Tsiahivina moa fa tao anatin’izay 10 taona izay dia nahatratra 514 ny tetikasan’ireo vehivavy manana fahasembanana notohanan’ny AFHAM. Miisa 2.328 iro fanentanana sy fampianarana efa vitany narahin’ny fiofanana miisa 117 sy ireo karazam-pikarohana miisa 5 vitany.
Pati

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap