airtel

Actualités

10-août-2022

Actualités

Fikarohana ilay satroboninahitra Andrasana indray izay ho vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Interpol.

Sample post image

Isan'ireo andraikitry ny borigady miady amin'ny piraty na BAP ny fikarohana ireo harem-bakoka, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.

10-août-2022

Nanamarika ny fankalazana ny faha 10 taonan'ity borigady ity ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin'ny Interpol izay mandray anjara amin'ny fanenjehana ireo mpangalatra na mpanao hosoka eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Isan'ireo hiaraha-miasa amin'io sehatra io ny fitadiavana ilay satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona III, very teny amin'ny lapan'Andafiavaratra. Misy ny rindran-tserasera iraisampirenena napetraka ahafahan'ireo firenena hafa mandray fepetra misambotra na mangeja ireny harem-bakoka ireny raha hita any amin'izy ireo, hoy ny fanamarihan'ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera, Lalatiana Andriatongarivo. Nanao sonia izany fiaraha-miasa izany ny solontenan’ny Interpol eto Madagasikara, ny kaomisera Rabialahy Jean Rostand, sy ny mpandrindra nasionalin'ny BAP, ny kaomisera Rarivoanantsoa Eddy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly. Tsiahivina fa efa tamin’ny desambra 2011, izany hoe andron’ny tetezamita, moa no very ity satroboninahitra ity ary tsy izy io akory no tafaverina ny novambra 2020 fa ny tatarom-piandrianany ihany. Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe inona no antony mampitarazoka, mba tsy hilazana hoe antony mbola tsy maha tafaverina ity satroboninahitra ity ihany hatramin’izao? Dia tena sarotra be ve no nahita fiaraha-miasa iraisampirenena tahaka ity omaly ity? Mbola andrasana rahateo indray koa moa izay ho vokany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap