airtel

Actualités

23-juil-2021

Actualités

Fikasana hamono an-dRajoelina Vola 5 tapitrisa dolara no saika hampiasaina…

Sample post image

900 tapitrisa ariary na 4,5 miliara fmg ny volabe tratra tany amin’ilay teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay Paul Rafanoharana,

23-juil-2021

raha ny horonantsary nalefa tamin’ny fahitalavi-panjakana omaly. Voahangy no anaran’ny vadiny vehivavy io, nilaza fa mpanao volamena amin’ny alalan’ny orinasa Tsara First, ary ampiasaina amin’izany ny vola. Nahatratra fitaovam-piadiana ihany koa, ka nilaza izy fa nomen’ny namany azy io. Tsy fantatra mazava kosa hoe iza no namany nanome izany fitaovana sy volabe izany. Niara-notazonina amin’I Paul Rafanoharana moa io vehivavy io. Nampiseho ny volabe tamin’ny sakaosy sy fitaovam-piadiana ny horonan-tsary, ka noraisina teny Androhibe ny 20 jolay tamin’ny 6ora sy sasany, raha tamin’ny 5ora ny fotoana nomen’ilay mpanatitra, raha ny voarakitra ao anatiny. Nandritra ny fivahinianana manokana nataon’ny Mpanolontsaina manokan’ny Filohan’ny Rapoblika Atoa Patrick Rajoelina tao amin’ny Fampahalalam-baovaon’ny Fahitalavitra Frantsay France 24 omaly alakamisy 22 jolay no nilazany fa misy ny porofo tsy azo lavina voaangona tamin’ireo olona voasambotra. Tratra tao amin’i Paul Rafanoharana izay Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay ny antontan-kevitra maneho tsikombakomba. Nanangana orinasa antsoina hoe Tsara First ho fialokalofana, ary tsy mazava ny tena zavatra ataon’izy ireo. Nahitana volabe 1 miliara Ar, mifandanja amin’ny 250 000 Euros eo ireo, hoy izy. Natao hanomanana ny teti-dratsy hanonganana ny Fanjakana Rajoelina io. Mahatratra 5 tapitrisa dolara ny vola nangatahana tamina mpifandray izay nampita tamin’ny kaompanian-tsolika lehibe eto Madagasikara hamatsiana io fanonganam-panjakana io, ary voalaza fa efa eo am-pelantanan’ny mpanao fanadihadiana io mpanelanelana io. Nambaran’ny fampahalalam-baovaon’ny Fanjakana kosa fa 15 ireo mersenera nomanin’ny atidoha hanatanteraka ny tetika. Mifamahofaho tanteraka ity raharaha ity, ary tafiditra anatin’ny politika avo lenta, ka samy miandry ny fivoarany ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap