Kolektifa an’ny malagasy tao Toamasina, Roland Ratsiraka marindrano, ny fanovana ny anaran’ny lalana Ratsimilaho, izay hangatahin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina ho lasa lalana Andry Nirina Rajoelina. Fanapahan-kevitra tsy ho ekena mihitsy ary ho lavin'i Roland Ratsiraka hatramin'ny farany izany, hoy ity solombavambahoaka ity. Izaho, hoy izy, dia manameloka ny zavatra tsy manaja ireo soatoavina sy lova koltoraly. Ampahatsiahivina fa ny mpanjaka Ratsimilaho no nanangana ny foko betsimisaraka, izay manomboka eo Sambava ka hatrany Mananjary. Ny fanajana azy dia fanehoana ny fankatoavana ireo soatoaviny, izay tokony mampianatra ireo fara madimby. Midika izany fa mihoatra ny tontolo ara-pitaovana na materialy ohatry ny hoe lalana fotsiny na fotodrafitr'asa ity resaka ity, hoy hatrany i Roland Ratsiraka, nanohitra ity heveriny fa fanitsakitsahana ny tantara sy kolontsaina betsimisaraka ity.
J. Mirija
Mitady hivadika fitsaram-bahoaka
Mazava tsara ny resaky ny minisitry ny