airtel

Actualités

23-oct-2025

Filankevitry ny fiarovam-pirenen’ny tetezamita

«Tsy hanao valifaty fa hanao asa

Sample post image

iombonana ho an’ny fahamarinana»

23-oct-2025

Ry vahoaka malagasy, ry tanora namana, nitsangana isika, andro maromaro izay, tsy noho ny fahatezerana fa ho fanavotana an’i Madagasikara, hoy ny Filankevitry ny fiarovam-pirenen’ny tetezamita tetsy amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly. Ny hetsika nataontsika, hoy izy ireo, dia fitakiana ny rariny ho fanovàna marina an’i Madagasikara. Mitsangana anio ny filankevitry ny fiarovam-pirenen’ny tetezamita na CDNT ho fandresena izany. Nifidy ny fandriampahalemana sy ny fihavanana isika fa tsy ny fizarazaràna. Raha nandray anay solontenan’ny Gen Z, Gen Y, tanora RNR na «Rassemblement national pour la refondation» sy ireo avy any amin’ny faritra manerana ny nosy ny filoha, Ny Kolonely Michael Randrianirina, ka nilazànay hoe efa vita ny anjaranay, anjaran-drizareo sisa manokatra varavarana ho an’ny olompirenena rehetra dia nihaino anay tokoa izy ary nihaino tamim-panajàna. Nahafantatra fa nijoro tokoa ny tanora. Manamafy anefa izahay fa mihaino sy miaro ny fanantenan’ny vahoaka satria ny olombelona mora manadino. Tsy fangatahana tombontsoa no ilainay fa fitakiana ny rariny, zo fototra ary zo fototra mahaolona. Izay no feon’ny tanora ary mbola takiana ankehitriny dia ny herinaratra, ny rano, ny fanabeazana, sosialy ary ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanapariaham-pahefàna any amin’ny faritra. Ireo no tena soatoavina fototra natsangan’ny RNR izay tarihin’ny filohany Max Fabien Andrianirina. Tsy hanao valifaty fa hanao asa iombonana ho an’ny fahamarinana. Mankasitraka ny CDNT hanokatra ny varavarana ho an’ny olompirenena rehetra, indrindra, ny fisian’ny miaramila, sivily mba ho fandriampahalemana maharitra. Ny CDNT dia hitambaran’ny mpampianatra, mpahay lalàna, fiarahamonim-pirenena, tanora, olom-boafidy sy ny maro hafa. Izahay tanora Gen Z, Gen Y, tanora RNR, fiarahamonim-pirenena dia maneho amin’ny fomba ofisialy fa manohana an’i Max Fabien Andrianirina, Rain’ny fanorenana ifotony eto Madagasikara, ho filoha lefitry ny CDNT. Ho anay dia tsy mpanao politika fotsiny izy fa mpanabe, nanoro, nananatra, nampianatra anay handray andraikitra sy ny hery ho an’ny fahendrena. Ny fahefàna dia ho an’ny asa ho an’ny vahoaka. Tsy adinonay ireo niandohàna dia ny arabe sy ny tanora, ny faritra maina miandry rano ary ny fianakaviana manantena tena fiovàna, hoy hatrany izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Iaraha-mahita amin’izao fotoana izao

Card image cap
05-mars-2026

Nanao ranty fampahafantarana

Card image cap
05-mars-2026

mbola afaka mianatra

Card image cap
05-mars-2026

Nanolotra 68 miliara Ar ho an’i Toamasina ny Fanjakana Japoney

Card image cap