airtel

Actualités

03-sept-2025

Filoha mivady nambara fa tsy teto

Fa taiza marina sy nanao inona àry?

Sample post image

Tsy teto an-toerana" ny filoha mivady,

03-sept-2025

hoy ny valin-kafatra sy fanazavana nataon’ny governemanta manodidina ny fanamarihana nataon’ny mpanao politika manodidina ny tsy nanatrehan’izy ireo ny fandevenana ny olobe iray teto amin’ny Firenena. Somary hafahafa ihany, ary tsy izy tsy nanatrika na nanatrika izany no manitikitika eto, fa ny filazana hoe : tsy « teto an-toerana ». Filoham-pirenena sy Firenena no resaka ka manitikitika ny mpanara-baovao hoe : nivoaka an’i Madagasikara ve izany ny Filoha mivady ny faramparan’ny herinandro lasa teo izay nifanandrify ihany koa tamin’ilay lalao famaranan’ny CHAN tany Kenya. Nolazaina fa nisy koa "fanasana" nataon'ny filoha Kenianina azy hanatrika famaranana fa nolaviny, tsy nandeha izy fa hoe hitsena Barea no hataony. Tsy tany izy ny sabotsy raha ny lojikan’izay, ary ny sabotsy rahateo ny famaranana, raha toa ka ny zoma ilay fandevenana. Ny sabotsy raha niantso ny Filohan’ny FMF sy ny mpilalaon’ny Barea CHAN dia niteny hoe : « Any Madagasikara… ». Ny alahady dia nandray ny Barea CHAN teny Mahamasina. Nandao an’i Madagasikara ve izany ny Filoham-pirenena ny zoma lasa teo ? Nandeha mangingina tany Kenya araka ny resaka niely sa Firenena taiza? Nanainga oviana dia niverina oviana anefa raha niala teto tokoa? Nandeha taiza sy nanao inona ? Marina fa fialan-tsasatry ny governemanta izao, saingy tokony ho fantatra na hanaovana fampahafantarana ofisialy ny fandaharam-potoanan’ny Filoha raha resaka fivoahana any ivelany, raha tena misy marina ny mangarahara. Manana ny fiainany manokana, manana ny fahalalahany manokana, afaka manao izay tiany, afaka mandeha amin’izay tiany aleha,… ny Filoham-pirenena sy ny fianankaviany saingy tsy sakana amin’ny mety ho fisiana fanontaniana manitikitika na tsikera mivaivay mifandraika amin’ny zava-misy sy ny raharaham-pirenena ? Dia taiza tokoa re raha tsy teto an-toerana eeee !?
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap