airtel

Actualités

29-avril-2021

Actualités

Fiompiana Hasiana kavina tsy azo atao hosoka ny omby

Sample post image

Taorian’ny pilin’omby na “puce électronique” dia miala any indray ny kavin’omby elektronika. Ny tetikasa LITS na

29-avril-2021

 

 

 “Livestock Identification and Traceability System” eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono no hanatanterahana azy io hanatsarana ny sehapihariana omby indrindra fa ny fanaraha-maso sy ny rafitra fanjohiana ny omby amin’ny alalan’ny fametrahana ny kavin’omby elektronika. Tsy azo anaovana hosoka izy ity, ahitana ny antontan’isa sy antontam-baovao rehetra mahakasika ilay omby, ny fahasalamany toy ny vaksiny vitany sy ny toerana nandalovany. Hifameno amin’ny pilin’omby ny kavin’omby na amin’ny fanaraha-maso na amin’ny fampanarahana ny biby fiompy. Amin’ny fanombohana dia kavina miisa 100.000 no hapetaka any amin’ny faritra Anosy sy Androy ary Atsimo Andrefana sy Ihorombe. Apetaka amin’ny ravin-tsofina roa amin’ny omby ny kavina, ary ny omby tsirairay dia samy manana ny kavina. Araka ny fanazavana dia maimaimpoana ny fametrahana azy ary ireo mpiompy izay manana ny angona ka maniry ny hametahana kavina ny ombiny dia afaka misitraka izany.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap