airtel

Actualités

11-nov-2021

Actualités

Fiondranana an-tsokosoko nahafaty olona 4 10 nidoboka am-ponja, 2 arahi-maso ara-pitsarana

Sample post image

Olona miisa 10 voasaringotra tamin’ny raharaha fitaterana sy fiondranana an-tsokosoko saika hihazo an’i Mayotte ny 23 oktobra lasa teo no naiditra am-ponja vonjimaika.

11-nov-2021

 Fitaterana tsy ara-dalàna sy vono olona an-kolaka no hanenjehana azy ireo. Miisa 12 izy ireo no niakatra fampanoavana tao Nosy Be ny talata teo, ka ny 10 ireo nidoboka any am-ponja ireo, ary ny 2 izay tsy ampy taona kosa dia arahi-maso ara-pitsarana. Tsiahivina, fa ny 2 novambra lasa teo no hita teny an-dranomasina izy ireo, olona 16 teo tao tao anatin’ny sambokely iray izay voalaza fa nisy fahasimbana, efa tena reraka sy mosarena satria tsy nisy hanin-ko hanina. Efa ny 23 oktobra rahateo no voalaza fa niainga avy tao Ambanja, saingy nihitsoka teny afovoan-dranomasina. Voalaza fa 20 no tao anatin’ny sambokely, saingy matin’ny hanohanana ny 4 ka nisy natsipy tany anaty rano. Razana iray sisa no tao anatin’ny sambokely tamin’ny fotoana nampiakaran’ny tafika an-dranomasina azy ireo an-tanety. Tsiahivina hatrany, fa tsy vao tranga voalohany tamin’ny fiondranana an-tsokosoko ity sarona ity. Ny tena nitovitovy tamin’io dia ilay tamin’ny oktobra-novambra 2020, nisiana sambokely simba teny afovoan-drano, ka olona miisa 8 tamin’ireo mpandeha 21 tao anatiny no maty ary natsipy tany anaty rano. Tato anatin’ny roa volana, tsy latsaky ny 100 ny olona sarona tamin’ny fiondranana an-tsokosoko, ka nisy mbola taty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara ary nisy efa tonga tany Mayotte.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap