airtel

Actualités

12-nov-2021

Actualités

Fiovaovan’ny toetr’andro Tandindomin-doza ny firenena, hoy ny SECES

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo etsy Ankatso omaly ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na SECES

12-nov-2021

 Tana fa manamafy hatrany ny fitakiana ny zo sy hasin’izy ireo voafaritry ny didy aman-dalàna sy ny fametrahana amin’ny toerana mendrika azy ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa izy ireo. Tsy hanatanteraka intsony afa-tsy ny fetr’asa tsy maintsy tontosainy voafaritry ny didy aman-dalana ny SECES Tana manomboka amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity. Mitaky kosa eo anatrehan’izany ny fandoavana haingana ny asa an-tselika na “vacation” sy ora fanampiny ho an’ny mpampianatra an-tselika sy ny mpampianatra raikitra ho an’ny taona 2018-2019 sy ny manaraka. Izany no hatao dia mba hanehoana imasom-bahoaka fa tsy te hiroso intsony amina fitokonana itakiana ora fanampiny ny Seces. Anjaran’ny fitondram-panjakana madiodio, amin’ny maha mpampiasa azy, ny mitady na mandray mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra raikitra na an-tselika hameno ny fahabangana tsy hita noanoa eo amin’ny asa fampianarana sy fikarohana eto Madagasikara no sady miantoka ny fandoavana ara-potoana ny valin-kasasaran’izy ireo. Manantena ny SECES sampana Antananarivo fa tomponandraikitra manam-panahy sady mitsinjo ny fahasahiranam-bahoaka ny ao amin’ny MESUPRES ka hanatanteraka COPRIES tsy ho ela handraisana fanapahan-kevitra momba ny ho fandraisana indray ireo mpianatra afaka bakalorea 2021. Manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay miteraka hain-tany, ny tsy fandriampahalemana izay efa tena mampiteny ny moana saika manerana ny nosy ankehitriny dia manao antsoavo ho an’ny fitondrana mahefa ny SECES Tana mba handray andraikitra hentitra tsy misy hataka andro. Misy ny vahaolana maika, atomotra ezaka, lavitra ezaka. Maika, ohatra, nisy fotoana tany Fianarantsoa tamin’ny faran’iny herinandro iny dia feno ny fepetra tokony hahafahana mandatsaka orana artifisialy. Raha tomponandraikitra ny fitondram-panjakana sy ireo minisitera voakasik’izany dia nahafantatra hoe inona no fotoana mety ahafahana mandatsaka orana amin’ny faritra izatsy na izaroa. Efa mihoatra ny 90% angamba izao ny faritra tsy mahazo rano intsony ao Fianarantsoa. Tsy ny any atsimo ihany no milevin-drano izao fa tafakatra hatraty Antsirabe. Ahavahana ny ilany atsinanana indrindra sy andrefana indrindra. Tandindomin-doza ny tany sy ny firenena. Inona no tsy hanaovana fambolen-kazo araka ny tokony ho izy fa tsy fisehosehoana amin’ny haino aman-jery sy selfie, hoy hatrany ireto mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ireto ?
J. Mirija
Legende: Tetsy Ankatso omaly
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap