airtel

Actualités

02-févr-2021

Actualités

Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara Tsy manaiky ny fanitsakitsahana ny zo sendikaly

Sample post image

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisankinan’ny sendika eto Madagasikara na

02-févr-2021

 

 

ny SSM omaly taorian’ny nisamborana ny filohan’ny sendikan’ny Paramed Ralibera Jerisoa tamin’ny sabotsy lasa teo ka nisakanana azy tsy hanatanteraka ilay fanaovana tatitra tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izay efa nandrasan’ireo namany marobe. Nambaran’izy ireo nandritra izany fa fanitsakitsahana ny zo sendikaly ireny fihetsika nataon’ny Fitondram-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana ireny izay manohitra ny fifanarahana iraisam-pirenena laharana faha-87 nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1960. Tsy mila mangataka alalana mantsy ny sendika rehefa hivory hoy izy ireo araka ny lalana fa mampahafantatra fotsiny ihany 48 ora mialoha dia vita. Sady ny mampalahelo hoy hatrany izy ireo dia tsy hitokona akory ny sendika fa hifampiresaka fotsiny ihany nefa dia ireny ny zava-misy. Tatitra hitakiana ny zony ihany koa no tokony nataon’izy ireo hoy hatrany ny SSM izay tokony hotohanan’ny fanjakana aza nefa dia ireny ny zava-nitranga. Na izany aza hoy kosa Ralibera Jerisoa dia hitohy ny tolona ary vao mainka hihamafy aza raha minia manampin-tsofina ny Fitondram-panjakana. Handefa taratasy any amin’ny praiministra lehiben’ny governemanta indray mantsy izy ireo hakany toky ka miankina amin’izay ny mety ho tohin’ny tolona. Mety hihafarana amin’ny fitokanana faobe moa izao hetsika hataon’ny PARAMED izao raha tsy misy tohiny. ‘

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap