airtel

Actualités

04-juil-2022

Actualités

Firosoana amin’ny «digitalisation» Nilingilingy tamin’ny zavatra tsy hay ny fitondrana

Sample post image

Manahiram-bahoaka lavitra mihoatra amin’ny fikarakarana taratasim-panjakana mahazatra hatramin’ny andron’ny filoham-pirenena voalohany indrindra teto Madagasikara, Philibert Tsiranana,

04-juil-2022

ankehitriny ny fikarakarana sy fandaminana izany amin’ny sehatra rehetra. Gaga ny mpanara-baovao hatramin’izao ary mbola velom-panontaniana hoe fa angaha moa tsy hoe efa vita ny “digitalisation” na fandraketana an-tsolosaina ny mikasika ny vatsim-pianarana na “bourse” ho an’ireo mpianatra mpikaroka eny amin’ny oniversitem-panjakana? Indrisy fa namaly izany ho tsia ny zava-nisy nitranga indray nandritry ny fotoam-pizarana izany tamin’ity herinandro ity. Ireto avy ireo olana tamin'ny fizarana vatsimpianarana anio (TTF: ny sabotsy teo), hoy ny tati-baovao voaray. Misy ny tsy ao anaty lisitra mihitsy. Misy ny ao fa mandray 0 ariary. Misy kaontin’olona sasany lasa miverin-droa na 3 sy 4 mihitsy na hoe “doublé”, “triplé”, “quadriplé” mihitsy ny ka lasa 0 Ariary. Ny mpianatra nifindra kilasy na “passant” lasa voalaza ho namerin-taona na “redoublant”. Ny “redoublant” lasa “passant”. Lasa vatsy na "montant" an'ny kilasy na “niveau” hafa no azo. Mpianatra taona fahatelo na L3 nefa lasa “bourse” ho an’ny taona voalohany na L1 no azo. Lasa 1 volana ny “bourse” voaray raha tokony ho 2 volana. Lasa 3 volana ny “bourse” voaray raha tokony ho 2 volana, hoy hatrany ny tati-baovao. Manaitra ny tomponandraikitra tafindry mba hamaha izany olana izany faran'izay haingana toy ny mahazatra moa ireo mampita ny vaovao saingy asa na mbola hitohy toy ny mahazatra ihany ny vokatra mikasika ity resaka firosoana amin’ny “digitalisation” ity. Ny tsikaritra aloha dia hita ho nilingilingy tamin’ny zavatra tsy hay sy tsy voafehy ny fitondrana mijoro ankehitriny ary mahatonga ny maro hanolotra vahaolana tsotra hoe maninona raha haverina amin’ny fomba fiasa taloha mba hisian’ny fanamorana fomba fiasa kokoa toy izay hatsangana daholo ity birao vaovao lasa mampiparitaka ireo antotan-taratasy maro tokony hifanakaiky ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap