airtel

Actualités

24-mars-2022

Actualités

Fisolokiana, fanapariahana ambalavelona,… Lehilahy roa no nosamborina tany Boeny

Sample post image

Lehilahy roa 28 sy 32 taona no voatery nosamborina tany amin’ny Faritra Boeny afak’omaly ny 22 martsa. Resaka fisolokiana sy fivarotana entan’olona tsy nahazoana alalana no antony nisamborana ny iray,

24-mars-2022

 raha fanaparitahana Ambalavelona tamina mpianatra vehivavy kosa ny nitazonana ny iray. Ilay lehilahy iray voalohany dia voasambotra tao amin’ny trano fonenany teny amin’ny faritra Tsararano/Mahanjanga ary naiditra am-ponja vonjy afak’omaly ihany taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny « Service Regional de Police Judiciaire » na SRPJ Mahajanga. Voasolokin’ity lehilahy ity ny ramatoa iray. Namidin’ilay rangahy ny fananan’ilay ramatoa kanefa tsy nahazoany alalana akory ary nahatratra 23. 000 000ar ny vola lasany tamin’izany . Ilay resaka fanapariahana Ambalavelona kosa dia lehilahy 28 taona no fantatra fa nanao izany. Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP Marovoay tao Ambalalemboka fokontany Tsimahajao Distrikan’i Marovoay izy afak’omaly. Raha tsiahivina dia nisy ny fitarainana faobe nataon’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny talen-tsekoly ao amin’ny lisea iray any an-toerana mikasika ny trangana ambalavelona izay miseho amin’ny mpianatra maro. Ankizivavy no tena lasibatra ary tena mikolay daholo ny olona noho ny afitsok’ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana ilay lehilahy mpilalao ody.
Pati
Legende : Ity ilay mpamafy ambalavelona mpilalao ody gasy !
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap