airtel

Actualités

16-août-2021

Actualités

Fisolokiana fidirana ho mpianatra ho zandary Raim-pianakaviana iray very vola 6.600.000 Ar

Sample post image

Raim-pianakaviana iray indray no tonga nitaraina tao amin’ny zandarimariam-pirenena ao Mandritsara ny 09 aogositra teo fa voasoloky vola 6.600.000 Ar

16-août-2021

 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary farany teo.Manan-janaka isan'ny mpifaninana tamin'ny fidirana ho zandary teo izy raha araka ny fanazavany. Nisy olona iray nilaza taminy anefa fa mahafantatra kolonely sy ny kaondaman’ny borigady ao Mandritsra mahavita mampiditra ho zandary. An-telefaonina avokoa sy laharana roa samy hafa no nifampiresahany tamin’io Kolonely sy kaomandan’ny borigady io ka ilay olona nanantona azy no nomeny ilay vola izay natao in’efatra nandoa.Rehefa nivoaka anefa ny valim-panadinana dia tsy isan’ireo afaka ny zanak’ity Raim-pianakaviana ity raha tsy azo antso an-telefaonina intsony ihany koa sady tsy hita tao Mandritsara ilay mpisoloky. Nitory ny fianakaviana noho izany ka ny 11 aogositra lasa teo no tratra tao Mandritsara ilay lehilahy. Niaiky ny heloka vitany izy ka ny tenany ihany no kolonely sady kaomandin’ny borigady ary azy avokoa ireo laharana finday izay nampiasainy.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap